Edito

Mpanao sonia sisa


  • Zoma 09 Aprily 2010


Ny jeneraly Rakotonandrasana Noël no nifatraran’ny rihatra taorian’ireo resabe mikasika ny fikotrehana fanonganam-panjakana sy savorovoro teo anivon’ny foloalindahy ireny. Nitombina ilay resaka notaterina teto tamin’ny alakamisy 2 aprily fa naely tany amin’ny lakazerina teto an-drenivohitra ny trakta manaratsy ity minisitry ny fiarovam-pirenena teo aloha ity sy mitaky ny fametraham-pialany. Tsy nandà no sady tsy nanamarina ny nahatafiditra na tsia ity jeneraly voailika ity, tamin’ny fiketrehana fanonganam-panjakana ny praiminisitra Camille Vital raha nampiantso ny mpanao gazety ny alarobia lasa teo. Araka ny siosion-dresaka dia mety hohadihadiana ny jeneraly Rakotonandrasana Noël atsy ho atsy noho ny antony mahakasika ny filaminana anatiny. Efa fomba fanao moa izany rehetra izany rehefa misy ny raharaha mampanahy ny manampahefana, mba ahitana ny marina sy ny tena atidoha nikotrika ilay fanonganam-panjakana nahoraka tato ho ato izay. Ary lojikan-javatra izany rehetra izany raha tena ahiana ho nifandray na nifampikasokasoka tamin’ireo vondron’olona nikotrika zavatra hafahafa teto ity manamboninahitra ity. Fa maro ihany koa ny mieritreritra fa mety efa tetika voaomana mialoha izao tranga rehetra izao, mba hanilihana an-dRakotonandrasana Noël fotsiny ary hanamafisana ny fahefan’ny praiminisitra Camille Vital. Ity farany mantsy, araka ny resaka mandeha ihany, no anisan’ny olona itokisan’ny Frantsay, ary mety hitantana ny tetezamita raha sanatria ka voaongana na miala na nailika tampoka i Andry Rajoelina. Miha mibaribary amin’izao fotoana fa lasa tsangan’olona ao an-dapa fotsiny sisa i Andry Nirina Rajoelina, satria sady tsy miteny intsony, no tsy miseho vahoaka, ary mety tsy manapa-kevitra sy tompon’ny teny farany mihitsy, fa ampanaovina sonia fotsiny. Mety tsy hijanona amin’ny fanesorana ny minisitry ny foloalindahy fotsiny ity raharaha ity fa hitohy, satria maro ny miaramila nanohana an’i Andry Rajoelina tamin’ny herintaona no tsy mankasitraka izao fanesorana ny minisitry ny foloalindahy sy ny fikasana any ambadimbadika any ny hakana am-bavany sy hanaovana fanadihadiana azy momba ny fikasana hanongam-panjakana.

 
RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

  • EDITO
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Mila miova raha te hanova ?

  • Mamafy rivotra !
  • Zoma 11 Septambra 2026

Fomba firesaka ifandovan’ny

Hijery ny tohiny
FTT