Miha sarotra hatrany ny toe-draharaha, hiakatra ambonimbony kokoa ny maripana amin’ny fitakiana maro samihafa hanomboka anio
Tahaka ny mahazatra moa dia tsy nahay nandamina ny resaka ny filoham-pirenena fa vao miha nanao teny feno avona mifangaro fandrahonana tahaka ny nataony ny mpanao gazety taorian’ny diany tany Vatican. Ka inona ny fanohizana ny fampihavanana heverina fa ho vita amin’izany ? Fa tena olana be mihitsy ve ka avadika ho raharaham-pirenena ilay « court circuit » tao an-tranon’Atoa filoha ka tsy maintsy hoe nitory izy sy ny fanjakana Malagasy ? Moa ve maivana ka tsy mila vahaolana haingana ny krizy eny amin’ny Air Madagascar fa mbola don-tandroka ihany no ataon’ny mpitondra fanjakana ? Manomboka mahoraka any ivelany ny resaka taorian’ny tsy fahafahan’ny fiaramanidin’ny Air France nipetraka intsony teto Madagasikara satria namoaka fanambarana hatramin’ny minisiteran’ny raharaham-bahiny Frantsay mihitsy. Tsy tena misy ny vahaolana mivaingana avy any amin’ny mptondra, fa inona ary no andrasana e ! Sa ve rehefa tena mikatso tanteraka ny seranam-piaramanidina rehetra manerana an’i Madagasikara vao hihetsika ? Raha ny fahitana ireo mpiasan’ny Air Madagascar aloha dia tena tsy hihemotra intsony izy ireo fa hanohy hatramin’ny farany ny fitakiana. Mahalala tsara ny olana ny filoham-pirenena satria efa filohan’ny filankevi-pitantanan’ny Air Madagascar tamin’ny tetezamita, ary mbola ny mpiara-miasa tena itokisany no nandimby io toerany io ankehitriny. Raha tsy mahita vahaolana amin’zany dia efa resaka hafa kosa e ! Na ahoana na ahoana petrak’olana dia azo atao foana ny mikaroka ny marimaritra iraisana, na vahaolana vonjimaika, na fifanekena ampiharina amina fotoana voafetra. Ilay fomba fiteny feno avona ataon’ny mpitondra ity no hanimba zavatra eto. Firenena mbola anaty krizy i Madagasikara ka tena mila mpitondra mahira-tsaina sy mahay mifehy ny fihetseham-pony, fa raha mora sendaotra isaky ny mihetsika dia …tsy hisy raharaha ho vanona eto fa ny krizy no hitombo an-dalana tahaka ny dian’andriana. Raha mpampihavana tokoa ny filoham-pirenena dia tokony ho izy no voalohany manetry tena sy mahay mihaino ny rehetra, fa rehefa tsy mahavita izany izy dia hitohy ary hihamafy kokoa aza ny krizy e !
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.