Edito

Mpampiesona sady mpandainga


  • Zoma 23 Janoary 2015

Hifarana anio ny fivoriana tsy ara-potoana voalohany natrehan’ireo solombavambahoaka amin’ity taona ity, ny fandaniana ilay lalàna momba ny sata manokana mifehy an’Antananarivo Renivohitra sy Nosy Be ary ny nosy Sainte Marie no anisan’ny nisongadina niaraka tamin’ny fanolorana ny anaran’ny


 

Hifarana anio ny fivoriana tsy ara-potoana voalohany natrehan’ireo solombavambahoaka amin’ity taona ity, ny fandaniana ilay lalàna momba ny sata manokana mifehy an’Antananarivo Renivohitra sy Nosy Be ary ny nosy Sainte Marie no anisan’ny nisongadina niaraka tamin’ny fanolorana ny anaran’ny praiminisitra avy amin’ny solombavambahoaka maro an’isa ka nanendrena ny jeneraly Ravelonarivo Jean. Vita aloha izany ny amin’iny, andrasana manaraka ny fanendrena ireo minisitra, fa na izany aza dia tena mampitolagaga ihany ity fomban’ny olom-boafidy eto amintsika e ! 151 no isan’ny depiote nofidiana tamin’ny desambra 2013, nilaza fa ivondronana depiote 118 ny PMP ka nanolotra anarana praiminisitra teny Ambohitsorohitra, avy eo ny vondron’Ambodivona indray milaza fa manana depiote 80 ka izy, hono, no tena maro an’isa. Atao ny kajy dia manome 198 depiote… Tsy milamina, ary tena hafahafa be, ireo mpanao lalàna mihitsy no manondrana eto amintsika, tsy milamina ny solombavambahoaka na inona na inona fialana bala ambaran’ny an-daniny sy ny an-kilany e ! Ireo manampahefana faratampony mihitsy izany no mandainga eto amintsika ka tsy mahagaga raha mitombo be ny fandikan-dalàna, fa mba manao ny azy koa ny olon-tsotra. Asa izay hiafaran’ity antenimieram-pirenena ity mandra-pahatapitry ny taom-piasany afaka efa-taona.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

  • EDITO
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Mila miova raha te hanova ?

Hijery ny tohiny
FTT