Edito

Mpamotika fa tsy mpanangana !


  • Zoma 08 Febroary 2019

Efa ny fanjakana mpamotika ny firenena tany amin’ny folo taona lasa no mitondra ny firenena amin’izao fotoana izao.

 Mandeha ny hetsika sy ny sehoseho ivelany hoenti-maneho, angamba fa tena tia tanindrazana sy mitsinjo ny vahoaka Malagasy, hono, ilay fitondram-panjakana tsy nanao herisetra namotika sy nandoro ary ary nampandroba ny fananan’ny mpiray tanindrazana tamin’ny tena tamin’izany fotoana izany. Asa rahoviana no mba hahatsapa tena fa nanao ny tsy mety teto amin’ny firenena, fa ny fidinginan-drambo aloha no tena tsikaritra. Raha hiverenana ny tantara dia ilay mpitondra nopotehina sy nanaovana zavatra mamoafady indray no nifona sy niala tsiny tamin’ny vahoaka Malagasy tamin’izay heverina ho tsy nety nataony. Raha lanjaina sy hampitahaina ny famotehana natao teto, dia ny fanonganam-panjakana tamin’ny 2009 no vao mainka tena nampihemotra sy naha farahidiny ny firenena Malagasy tahaka izao. Mora ny miteny sy milaza fa ny fampandrosoana tsy vita tao anatin’ny 58 taona dia hataon-dRajoelina ao anatin’ny 5 taona. Eo anatrehan’ny olana ara-tsosialy miseho amin’izao fotoana izao aza anefa, dia tsikaritra ho valalanina sy kofona tanteraka. Ny zavatra nataon’ny hafa no tena hireharehana sy hanaovana sehoseho ivelany, fa izay zavatra tena nambaran’ny vava tamin’ny fampielezan-kevitra aloha, toa mbola tsy hita ny fiatombohany hatreto. Ny resaka asa sosialy sy ny vahaolana eo anatrehan’ny zava-miseho ankehitriny, toy ny valan’aretina, ny fitsinjovana ny tra-boina,… dia efa adidy tsy maintsy ataon’ny fanjakana, ka aoka etsy amin’ilay fivoizana sy kisehoseho ivelany amin’ny hoe: tonga dia miasa. Mbola maro ireo tena asa goavana miandry, ary tsy tambo isaina ireo zavatra nambara fa hatao, kanefa tsy voafaritra akory ao anatin’ilay ambara fa Politika ankapoben’ny fanjakana. Ho hita eo satria mbola manana 5 taona eo isika iaraha-miaina eto, ka hotsarain’ny tantara eo hoe: ho tanteraka ve ny zavatra nolazaina sa fampiesonana sy fampanantenana poakaty toy ny tramway nambara fa efa ho avy afaka volana vitsy, na ny trano ho an’ny tanora miisa iray alina ny zavatra hiseho e!

Toky R

 

 

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Na izany aza… !
  • Talata 05 Mey 2026

Hanomboka fivoriana ara-potoana

  • Miandrandra ny
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

mety kokoa hatrany!

  • Tsy afa-mihemotra intsony!
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Azo lazaina ho tsy afa-mihemotra

  • Tsio-drivotra hafahafa !?
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Isehoana trangan-javatra

  • Mbola tetikasa milevina!
  • Talata 28 Aprily 2026

Nalaza an-taonany maro ho

  • Tsy misy toerana ho
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

an’ny hadisoana !

Hijery ny tohiny
FTT