Mpamosavy malemy !

Lalan-tsaina sy fahendrena nolovaina tamin’ilay Jeneraly mpitari-tafika


  • Zoma 14 Martsa 2025

sinoa antsoina hoe : Sun Tzu tany amin’ny taon-jato faha-6 talohan’i Jesoa kristy

ary mbola misy mampiasa amin’ny paikady ara-tafika, ara-politika, ara-stratejika, fiainana ankampobeny ny hoe : "Ny tena fandresena dia ny fandresena tsy mila ady sy ra latsaka" na « vaincre sans ensanglanter la lame ». Mifono soatoavina goavana io, izay midika fa ny tena mpandresy dia ny mandresy tsy misy ra mandriaka na aina latsaka. Mila mahalala ny tena sy ny tanjaka ananana, fa indrindra mahafehy ny tanjona hotratrarina, mahefy hatramin’ny bitika indrindra ny fahavalo,... Andeha mba hampifandraisana amin’ny fiainana politika eto amintsika hoe : tena voafehin’ny mpitondra ankehitriny ve hoe inona no tanjon’ny fakana fahefana hitantana Firenena ? Iza marina no fahavalo mila resena? Tena ny mpanohitra ve no olana sy sakana ka tsy maintsy handaniana rondoha ka niaingan’ny vava tsy ambina samihafa toy ny hoe : hofongorina, mivovo,… Sao dia mba diso fahavalo hatrany am-piandohana, ka lany andro managadra, misambotra, mamono ankolaka,… fa ilay fahavalo iraisana eto Madagasikara anie ka ny fahantrana, ny tsy fandriampahalemana, ny dahalo ambony latabatra, ny mpanao kolikoly, ny mpanao trafikana harem-pirenena, ny tsy fananan’asa,… Nahoana no tsy ireny no handaniana andro sy fotoana, ary tena hanehoana ny hery sy tanjaka, fa zary mbola manenji-dresy amin’ny famoretana mivantana na ankolaka ny vahoaka ? Satria ny vahoaka Malagasy azo foretina sy ampahoriana, satria ny mpanohitra lazaina fa malemy,… dia zary mandranitra sy mihantsy ady amin’ireo no hihazakazahana ? Moa tsy lasa politikan’ny mpamosavy malemy ka ny ao an-trano ihany no ampirihatina fa ny tena fahavalo itsoahana ? Mila rivo-baovao ny Firenena, mila fanovana sy fiovana, fa raha mbola hoentina amin’ny politika mirefarefa, ny fomba fiasa tsy manaiky hahitsy, ny fitantanana tsy refesi-mandidy,… dia asa izay hiafaran’i Gasikara ?
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Manaraka ho azy ny
  • Alarobia 22 Aprily 2026

vahoaka rehefa mety ny atao !

  • Isika ihany!
  • Talata 21 Aprily 2026

Mila fifanampiana ny fiainana,

  • Mila paikady matotra
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Nanaitra ary avy eo nahasosotra

  • Edito
  • Zoma 17 Aprily 2026

Kajy politika!

  • Ezaka iombonana
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Na tiana na tsy tiana moa izany

  • Lany andro mifanasa vangy!
  • Talata 14 Aprily 2026

Henjakenjana ny karazana

Hijery ny tohiny
FTT