Edito

Mpamosavy malemy ?


  • Alatsinainy 07 Septambra 2020

Nanamarika iny faran’ny herinandro ny hetsiky ny tantsaha tany Vakinankaratra naneho ny alahelony momba ny fikatonan’ny orinasa mpandray vokatra sy ny dian’ny Filoham-pirenena nihazo iny ilany antsinana sy avaratry ny Nosy iny.

 

 

Miezaka mampiseho fa miasa sy mitsinjo vahoaka ny fitondram-panjakana, ary mbola nohamafisina tamin’ny valan-dresaka omaly izany. Noresahin’ny Filoha tany Brickaville, fa tsapany ny fijalian’ny mpamboly satria tsy nisy nandray ny vokatra fary rehefa nikatona ny orinasa iray. Tetsy ankilany anefa dia nanakatona orinasa teto Antananarivo, Toamasina, Antsirabe, Fianarantsoa. Tsy samy Malagasy daholo ve na ny any Brickaville na ny Antsirabe? Ny iray tsapan’ny Filoha ny fijalian’ny mpamokatra, ary ny iray hiniany hanaovana bemarenina ny taraina sy fijalian’ireo lasibatra? Izay resaka politika sy tsy fifankahazoana eo amin’ny samy lehibe any resaka hafa, fa ny manidinika mba ahoana? Toa mitady hanao mpamosavy malemy isika, ka ny ao an-trano ihany no haripaka. Mifamotika sy mifandrava noho ny hambo-po diso toerana ny ato anatiny, fa tsy mba maka lesona, ary toa mbola tsy ampy ny efa natao teto tamin’ny taona 2009. Toa malemy sy tsy misy modraka anefa eo anatrehan’ny fihetsiky ny avy any ivelany. Mby aiza ohatra ilay vava be natao tamin’ny volana mey momba ireo Nosy Malagasy? Manao ny ataony ny fanjakana Frantsay, izay efa nanao dingana maro, fa toa gina ny Filoha hatreto taorian’ny fanehoan-kevitra toa nentina nilalao ny fon’ny Malagasy fotsiny. Mby aiza ny tohin’ilay fampiantsoana ny Masoivoho Frantsay ? Haintsika ny mamotika ny Malagasy toa antsika mba hampisehoana fa manana ny hery sy fahefana fa modraka tanteraka eo anatrehan’ny tsindry aloka sy fanambaniana hataon’ny hafa. Izany ve tsy toy mpamosavy malemy ? Sao dia diso adversera ?

 Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Miandrandra ny
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

mety kokoa hatrany!

  • Tsy afa-mihemotra intsony!
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Azo lazaina ho tsy afa-mihemotra

  • Tsio-drivotra hafahafa !?
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Isehoana trangan-javatra

  • Mbola tetikasa milevina!
  • Talata 28 Aprily 2026

Nalaza an-taonany maro ho

  • Tsy misy toerana ho
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

an’ny hadisoana !

  • Porofoy sy asehoy
  • Zoma 24 Aprily 2026

fa tsy mivaona! Mitady ho difotry ny

Hijery ny tohiny
FTT