Nanomboka tany amin’ny folo taona lasa sy ny tetezamita no tokony ho efa fantatra ny hazo hamoa sy ny tsy hamoa, raha ny ambara fa fampandrosoana hataon’ny mpitondra ankehitriny no resahina. Inona no notazan’ny Malagasy tao anatin’ny tetezamita?
Tena tanteraka ve ny fandrosoana sy ny famirapiratan’ny firenena nampanantenaina? Tena niova nakany amin’ny tsara ve ny fiainan’ny Malagasy sa vao mainka nihemotra? Tsy sanatria te hamoha fota-mandry, fa mila todihana foana ny lasa hahafaha-mandinika sy maminavina ny ho avy. Dia mbola gaga ve isika raha izao no zava-misy ankehitriny? Miditra amin’ny dimy taona vaovao indray, ka 9 volana izay no lasa. Miakatra andro aman’alina ny vidim-piainana, saingy lany andro mampanantena hanao izatsy sy zaroa. Tsy misy vahaolana mafonja sy asa mivaingana, fa ny an-tratra tsy lavo dia antsoy ihany koa Rainilahibe. Mbola manam-potoana handranitana ady sy hananganam-pahavalo, raha jerena amin’ilay resaka tsy dia manao ahoana nanenjehana mpanao gazety. Ireny ve no laharam-pahamehana sa kosa misy manipy hoditr’akondro? Tsy misy fanetren-tena sy fahavononana hifanome tànana sy hiantso tolo-tànana amin’ny hafa na efa hita izao aza fa tsy mahatafavoaka baolina. Tsy ho vitan’ny filoha samirery izany fampandrosoana izany. Tena natosiky ny fitiavan-tanindrazana tokoa ve anefa ireo olona manodidina azy, indrindra fa ireo matretre voalaza fa tena tompon’ny fibaikoana? Sa kosa sady manao mpamosavy malemy manipy hoditra akondro ankolaja no mampitombo ny ambaindain’ny hareny? Ny filoha hatrany no mahita loza! Tsy rototra sy tsy mahatsapa angamba fa mihisatra famindra, mba tsy hilazana fa mikatso ilay masinina haingam-pandeha.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.