Edito

Mpamitaka iray trano


  • Zoma 30 Oktobra 2015

Resaka sy kabary no re nandritra ity repoblika faha-4 ity. Hofoanana ao anatin’ny 3 volana ny delestazy, ho henjana ny fanenjehana ireo mandripaka sy manondrana an-tsokosoko ny harem-pirenena, hohavaozina sy hohatsaraina ny ady amin’ny kolikoly ary tsy misy ambonin’ny lalàna eto

 


. Ny praiminisitra moa dia nanome lesona mihitsy ny polisy sy ny zandary ary ny mpiasan’ny ladoany momba ity resaka ity. Nipoapoaka ihany koa ny fanambarana fa ho hentitra ny ady amin’ny dahalo ary lasa lamaody ilay fomba fiasa 100 andro. Resaka fotsiny no bobaka, hoy ilay mpanakanto iray izay ary izany mihitsy no fahitan’ny olona azy. Miha sahirana sy miha mahantra ny malagasy, miaina ao anatin’ny tebiteby lava izao fa ny an’ny mpitondra dia ny mikabary sy mampanantena ihany no fantany. Ary rehefa misy tsy mety dia tsy mahalala diso sy miala tsiny mihitsy fa manilika fotsiny ny rihitra any amin’ny hafa. Mampanontany tena mihitsy hoe :mbola tahaka izao foana ve no iainana eto ao anatin’ny 3 taona manaraka, ka tsy korontana tsy misy ohatr’izany no hiafarany ve ? Fampihavanam-pirenena, fametrahana ny fitoniana, asa sy fampandrosoana ny resaka tamin’ny 2014 , tena ny mifanohitra taneraka amin’izany anefa no iainana ankehitriny ary efa tena manangasanga mihitsy ny fipoahana ara-tsosialy izay mety hivadika zavatra hafa.

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Tsy afa-mihemotra intsony!
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Azo lazaina ho tsy afa-mihemotra

  • Tsio-drivotra hafahafa !?
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Isehoana trangan-javatra

  • Mbola tetikasa milevina!
  • Talata 28 Aprily 2026

Nalaza an-taonany maro ho

  • Tsy misy toerana ho
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

an’ny hadisoana !

  • Porofoy sy asehoy
  • Zoma 24 Aprily 2026

fa tsy mivaona! Mitady ho difotry ny

  • Edito
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

Mbola mitady tia tanindrazana!

Hijery ny tohiny
FTT