Tsy mahalala intsony ny zava-misy marina ve sa efa tena leon’ny miaina ny mpitondra fanjakana fa dia manaotao foana isan’andro.
Ny fitoniana ara-politika sy ara-tsosialy tsy mbola tafapetraka ka io mampikatso ny fahazoana famatsiam-bola io, izao indray ka ny asa fanaovan-gazety sy ny tontolon’ny asan-tserasera amin’ny ankapobeny mihitsy no andramana ilam-baniny. Izany no tena hoe manontany basy amin’ny Anglisy ! Efa tena maro ny atrikasa, fivoriana, fifanakalozan-kevitra natao ary nisy marimaritra iraisana efa nifanekena. Ka nahoana no nivadihana tampoka indray ? Fa inona no atahoran’ny manampahefana mafy ka mahatonga azy ireo mitady hevitra hifehezana ny serasera eto ? Mahagaga fa ireo lehibe noheverina fa loholona mihitsy no manondrana, ny depiote indray aza no azo noresahana tamim-pilaminana. Hery iray lehibe tsy azo hamaivanina mihitsy anefa ny asa fanaovan-gazety, ary tsy misy raharaha vanona eto rehefa mandringa ny serasera. Mila mahatanty fanakianana rehefa mitondra fanjakana na iza na iza. Zavatra efa fahita maneran-tany io fa tsy hoe ny mpanao gazety Malagasy irery no tena be kiana. Sa ve izay ilay hoe mahana ny mpanao ratsy e ? Azo ifampiresahana ny zava-drehetra dia karohana ny marimaritra iraisana, araka ny lalàna manankery fa tsy hoe izay maha diavolana ny fon’ny manampahefana foana no tsy maintsy ankatoavina eto !
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.