Mikatso ny famahana ny krizy. Mitarazoka efa ho 19 volana ny fikatsaham-bahaolana fa dia mihodinkodina eto isika. Mivoaka miditra an’i Madagasikara ny mpanao politika, mitety hotely sy toeram-pivoriana etsy sy eroa, fa ny eo ihany no eo. Lany andro mifanasa vangy. Potika ny firenena, mizarazara ny fiarahamonina, ary ny loza dia mananontanona ny adim-poko eo amin’ny samy Malagasy raha tarafina tamin’ireny korontana tao amin’ny tetikasa Ambatovy tao Toamasina farany teo ireny. Niady varotra ny mpanao politika fa dia aleo hatao eto Madagasikara ny fanohizana ny dinika fikatsaham-bahaolana, fa aoka izay ity miankin-doha amin’ny any ivelany lava ity. Dia navela teo tokoa ra-Malagasy handray an-tanana ny hoaviny, na dia efa nisy lesona azo notsoahina ihany aza teo am-piandohana.
Efa nanao mantsy ny FFKM fa nidona, niditra ny fiarahamonim-pirenena fa niala maina. Dia im-polo kely natao indray ny teny Ivato fa lany andro fotsiny. Tonga teny Vontovorona indray fa dia hogahoga fifanasana vangy no betsaka. Atsangana indray izao fikambanana sy sehatra politika samihafa izao fa ny eo ihany no eo. Miantso fivoriana ny andaniny, dia izy samy izy ihany no tonga. Miantso fifampidinihana ny ankilany, dia izy mianakavy ihany no mikaondoha. Dia mijoro avy any indray ny Raiamandreny, fa toa fotsy rora miteny. Midodododo atsy, mipepipepy aroa fa eto ihany isika mianakavy, fa tsy masina an-taniny ny mpaminany.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.