Tsy misy fitsaharana fa dia isan’andro no handrenesana ny fimenomenonana sy fahatezeran’ny olona noho ny tsy fananan’ny fitondram-panjakana vahaolana matotra tena iadivana amin’ny fahantrana. Mitombo ihany ny isan’ireo tsy an’asa,
ka izay mba manana vola kely hiaingana dia lasa mpivarotra amoron-dalana. Rehefa noana ny kibo dia mivezivezy ny fanahy. Misy ireo roboka amin’ny asa ratsy, misoloky sy mandroba fananan’olona ary sahy mamono olona mihitsy aza mba hahazo vola ivelomana. Manahirana ny miady hevitra na mifampiraharaha amin’ny fanjakana ankehitriny satria toa mokon-doha sy didin’ny be sandry fotsiny no hitantanana ny firenena. Tsy te hahalala ny manampahefana sasany rehefa omena soso-kevitra na voakiana fa tonga dia manao valy boraingina hoe : « izahay aloha izao no mitondra dia izay tianay io ». Efa tena mazava izany fa tsy afaka hihaino ny hafa ny mpitondra antsika fa dia manao izay saim-pantany na dia efa hita izao aza fa paiakdy tsy mahomby io ampiasaina io. Mampanahy fa sao lahy ka mangoron-karena fotsiny ireto manampahefana ireto fa tsy dia mivaky loha firy amin’ny vahoaka ? Raha mihaino sy mbola manam-panahy ihany mantsy izy ireo dia efa hafa ny fomba famindra rehefa mandre ny fitarainan’ny olona etsy sy eroa isan’andro. Ady seza sy resaka akamakama anefa no hita. Mandeha ny afera, misy ny lasa mpanefoefo tampoka teo dia ny vahoaka no mody ampanantenaina an’izatsy sy izaroa.
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.