Edito

Mpamadi-dresaka


  • Zoma 14 Desambra 2012

Efa nampoizina ihany ny mety ho fihetsik’ireo mpomba ny filohan’ny tetezamita nanoloana ny fanapahan-kevitry ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana tsy ho kandida amin’ny fifidianana.

 Ho an’izy ireo mantsy dia na fanakorontanana na zavatra efa tsy dia mahataitra intsony, hono, izany. Efa mba maro ihany anefa ny krizy nisy teto, na tany amin’ny firenen-kafa, fa mbola vitsy ny mpitondra teo aloha, sahy nandray fanapahan-kevitra hendry tahaka an’i Marc Ravalomanana. Ny taty Afrika fotsiny, ohatra, dia gidragidra tsy mety vita ary fifanandrinana amin’ny basy aman-tafondro mihitsy io, fa tsy hoe fitakiana am-pilaminana anaty kianja na eny an-dalambe. Ary misy mihitsy aza ny mpitondra afrikanina niongana, na mbola am-perinasa maka mpikarama an’ady any amin’ireo firenena manodidina azy mba hanoherana ny fahavalony. Izany no antony tsy mety tena mampilamina tsara ny any Rwanda, Burundi, RDC, Mali, Soudan, Nigeria…

Ary ny tena zava-doza dia arangaranga foana ny fahasamihafana ara-pirazanana sy ara-pinoana any amin’ireo firenena Afrikanina sasany ireo, dia izay no hifandripahana, ankoatra ny firehana politika tsy mitovy. Olon-kendry ka nahay niala tamin’io fandrika be io Atoa Marc Ravalomanana, ka naleony nandefitra sy nanaja tena. Aoka tsy ho hadinoina ny tantara fa efa tamin’ny 17 martsa 2009 no nandefitra i Marc Ravalomanana raha namindra ny fahefana tamin’ny miaramila. Azony natao tsara ny niaro tena ka nampiasa ny fahefana sy ny vola teo am-pelatanany nanoherana hatramin’ny farany an’i Andry Rajoelina sy ny ekipany. Tsy nanao izany anefa izy mba hisorohana ny ra mandriaka sy ny fifamonoan’ny samy Malagasy. Mbola tena fandeferana goavana ny nanekeny nanao sesitany ny tenany efa ho efa-taona izao. Azony natao tsara mihitsy ny nitady mersenera manerana an’i Afrika dia niditra an-tsokosoko teto Madagasikara dia nifehy Faritra 2 na 3, tahaka ny misy any Mali amin’izao fotoana.

Tsy nanao izany izy satria nanao ho ambony ny tombotsoan’ny firenena. Izao dia nanaiky ny tsy hilatsaka hofidiana indray izy, na dia tsy mbola azo antoka tsara akory aza fa hanao tahaka izany koa i Andry Rajoelina. Fandeferana ve misy mihoatra izany intsony ? Ny ankilany kosa dia io iaraha-mahita io fa mbola miavona, maneso sy midingin-drambo. Izao tetezamitan-dRajoelina izao angamba no nahitana salanisana manampahefana sy mpanao politika mipoera, be drikina sy be marenina, mpamadi-dresaka betsaka indrindra. An’ny hafa foana ny fahadisoana, ho azy ireo, fa ry zareo dia mety avokoa ny ataony. Dia mitsambiki-mikipy any izany e !

 

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Tsy afa-mihemotra intsony!
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Azo lazaina ho tsy afa-mihemotra

  • Tsio-drivotra hafahafa !?
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Isehoana trangan-javatra

  • Mbola tetikasa milevina!
  • Talata 28 Aprily 2026

Nalaza an-taonany maro ho

  • Tsy misy toerana ho
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

an’ny hadisoana !

  • Porofoy sy asehoy
  • Zoma 24 Aprily 2026

fa tsy mivaona! Mitady ho difotry ny

  • Edito
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

Mbola mitady tia tanindrazana!

Hijery ny tohiny
FTT