Mokorosy fahana !

Efa ao anatin’ny 60 andro mahery


  • Talata 20 Febroary 2024

nahavitan’ny fianianan’ny Filoham-pirenena isika izao,

ary efa tafiditra ao anatin’ny 30 andro mahery nitsanganan’ny governemanta. Misy ilay fanamby sy fampanantenana fa ao anatin’ny 100 andro hanao an’izao sy izao, izay rehefa zohiana dia toa karazana serasera politika ihany no betsaka rehefa tarafina amin’ny zava-misy ankehitriny. 5 taona aza moa tsy nahovoka sy miteny ho azy ny tondro samihafa, ka anatin’ny zato andro ve no antenaina hisy fahagagana ? Inona no tsy mampikolay ny rehetra amin’izao fotoana izao ? Ny fahantrana sy fahasahiranana tena tsy alohalika intsony ny ranom-bary fa hatrany an-tedakely. Mikorosy fahana amin’ny endriny maro ny firenena, ary mandohalika ny vahoaka. Sanatrian’ny vava toa ny vahiny no ezahana hanaovana serasera sy hanadiovan-tena fa tena milamina i Madagasikara, milamina ny fifidianana nahalany anay,… ary ny Malagasy kosa vokisana tatitra sy fampanantenana fa mitosatosaka ny dolara sy ny euro, mahatoky antsika ny mpiara-miombon’antoka, ho avy ny fampandrosoana! Izay ve ilay zava-misy ary izany tokoa moa ve no zavatra andrasan’ny Malagasy hoe manga lanitra etsy sy eroa ary mandeha ny fampandrosoana kanefa izy tsy afaka mihary am-pilaminana, izy tsy manana asa mahavelona, izy tsy manana fahefa-mividy hiatrehana ny fidangan’ny vidim-piainana,… Serasera ve no mainka sa vokatra azo tsapain-tanana ? Izao na ny fiharian’ny olona na ny tontolo manodidina azy dia taratry ny fahantrana avokoa : làlana potika manerana ny Nosy, tsy fandriampahalemana isaky ny vazamototra, loza etsy, traboina eroa,… Dia tena hoe : ireny ve no mahery vaika sa ny politikam-pitantanana hoenti-miatrika azy no tsy mahomby, hany ka mitady izay hanilihana sy hamaharana lava na koa manakona ny fahantrana sy ny aretin’ny firenena amin’ny haitraitra sy kirendrarendra sisa paikady ?
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Porofoy sy asehoy
  • Zoma 24 Aprily 2026

fa tsy mivaona! Mitady ho difotry ny

  • Edito
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

Mbola mitady tia tanindrazana!

  • Manaraka ho azy ny
  • Alarobia 22 Aprily 2026

vahoaka rehefa mety ny atao !

  • Isika ihany!
  • Talata 21 Aprily 2026

Mila fifanampiana ny fiainana,

  • Mila paikady matotra
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Nanaitra ary avy eo nahasosotra

  • Edito
  • Zoma 17 Aprily 2026

Kajy politika!

Hijery ny tohiny
FTT