Edito

Mokon-doha tsy mankaiza


  • Zoma 20 Mey 2016

Manao ahoana ianao any izao ry Jean a ! Mbola mihevotrevotra ihany sa efa mba tony saina e ? Hay ianareo tena ekipa be mihitsy no niondrana tany amin-dry kely maso tompon’ny biznesy a…Dia inona ny voan-dalana ?

Mba mahazo manantena ihany ve izahay sa efa misavovona ny komandin-dramatoa ka tsy nahazaka intsony ianao. Sady fetin’ny reny anie amin’ny alahady e ! Marina raha hanaiky moramora foana iny madamanao iny. Ny resaka mandeha be aty an-tanàna izao dia hoe ilay raopilanina iny no toa hoe saika nataonao fanomezana ho azy kinanjo moa tsy hita popoka tampoka teo ilay izy dia ambaranareo fa tsy nisy an’izany akory fa izahay no mamorona. Tena lany hevitra aho ry Jean ! Tsy hitako intsony izay hananarana anareo fa toa be marenina sady be mokon-doha. Eny e, mety efa voaomana tsara ny toerana hialokalofanareo rehefa raikitra ny sakoroka eto. Mitandrema ihany anefa fa ny olona anie mba miketrika koa eee…

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

  • EDITO
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Mila miova raha te hanova ?

Hijery ny tohiny
FTT