Edito

Mokon-doha sisa miasa ?


  • Talata 12 Jolay 2016

Angamba efa vita vaksiny amin’ny fanakianana sy fitakiana ny fametram-pialany ny filohan’ny repoblika fa toa tsy mihotsona mihitsy aloha hatreto, raha ny fahitana azy.

Tsy misy ihany koa ny fanapahan-kevitra mba hanatsara ny fomba fiasa na hanolo ireo tompon’andraikitra ambony efa malaza ratsy.Ny olona nambara fa manakorontana sy manohintohina ny filaminana anatiny amin’izany , mbola afaka miaina tsara, mamoaka fanambarana efa ho isan-kerinandro.Sahala amin’ny hoe fihetsiketsehana ivelany fotsiny no namoahana ilay didy fampisamborana fa hay tsy hotanterahana akory.Sarotra inoana hoe tsy mahafantatra ny toerana misy ny senatera Lylison ny fitondram-panjakana, saingy tsy fantatra ny antony tsy hisamborana azy raha tena voaporofo fa meloka tokoa izy.Izao dia efa miampy indray ireo mpanozongozona ny seza arak’ireny fanambarana nataon’ny « Mitsangana ry Malagasy » ny sabotsy lasa teo ireny.Tsy fanehoan-kevitra politika tsotra intsony raha ny fandrenesana azy fa efa tena antso amin’ny fanonganam-panjakana mihitsy.Dia io fa tsy taitra ihany ingahy filoha sy ny ekipany, sa ve efa mikorapaka fa mba mody fanina fotsiny e ?Ny tena ratsy mantsy dia raha sanatria ka efa tsy mivaky loha intsony amin’ireny fanehoan-kevitra sy fanakianana mavaivay ireny ny mpitondra, ka tsy te hahalala fa manao ny ataony ihany.Dia ho sanatria mokon-doha ve izany sisa no hitondrana ity firenena ity ?

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

  • EDITO
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Mila miova raha te hanova ?

Hijery ny tohiny
FTT