Edito

Mody adala sa tena dondrona ?


  • Talata 03 Mey 2016

Tsy sanatria finoanoam-poana tsy akory fa mba mampatahotra ihany ny zava-mitranga eto amin’ny firenena tato ho ato izay.


Tsy sanatria finoanoam-poana tsy akory fa mba mampatahotra ihany ny zava-mitranga eto amin’ny firenena tato ho ato izay. Mifanesy mitranga ny fambara maro samihafa tahaka ny efa mampiomana ny rehetra fa ho avy indray ny krizy. Mitovitovy amin’izao ny zava-nisy tamin’ny 2007 – 2008. Samy nihevitra ny rehetra fa hoe olana ara-politika sy resaka fankahalana io ka rehefa atao ny fifampidinihana dia hilamina. Zava-doza anefa no nitranga ny taona 2009 satria nivadika ho fanonganam-panjakana ny fanakianana sy ny fitakiana maro samihafa. Tsy hiverenana lava be ny amin’iny fa efa tantara tsy azo kosehana ireny. Ny tena mampiasa saina dia izao menomenona sy hasosorana etsy sy eroa izao, mba mandre an’ireny ihany ve ny fitondram-panjakana ary efa mba mitady vahaolana e ? Ny loza mitranga amin’izany toa efa tandindon’ny ampitso, raha izao mantsy no mitohy dia tsy maintsy ho avy ilay fipoahana ara-tsosialy efa natahorana fony tetezamita. Malaza ho mandefitra sy mahari-pery Ramalagasy fa rehefa mihetsika izay ny lohany sarotsarotra ihany ny mandamina azy a ! Ary izay indrindra no mety hahadiso hevitra ireo manantena fa rehefa zaraina vary sy akanjo ary hanamboarana kianja sy omena vola kely isaky ny mihetsika ny olona dia hanadino ny fahoriany. Tsia, diso ianao…, hoy Rainindimby izay fa rehefa misokatra ny masom-panahin’ireo olona ireo dia tsy ho azonao visavisaina ny zavatra mety ho vitany. Tsy mandre tsara ve ? Manao be marenina ve ? Sa mandre ihany fa tena tsy ampy fahalalana sy fahaizana hamaha ilay olana ny fitondram-panjakana ? Kitakitano ihany fa sao dia tara loatra e…

RTT

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

  • EDITO
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Mila miova raha te hanova ?

Hijery ny tohiny
FTT