Edito

Mizotra mankany amin’ny kizo


  • Alatsinainy 23 Novambra 2020

Mbola baraingo ny lalan-kizoran’i Madagasikara amin’ny lafiny maro. Ho

 

sangany aty Afrika sy eran’izao no tontolo izao no nampanantenaina, fa fihazakazahana mankany amin’ny fihemorana no misongandina. Samy manana ny famaritany ny atao hoe: “fandrosoana” sy “fampandrosoana”. Toa mihazakazaka any amin’ny kisehoseho ivelany sy ny rendrarendra indraindray. Tsy arakaraka ny zava-miseho ny laharampahamehana, fa indraindray aza toa zary lasa fanesoana vahoaka. Hatramin’izao, mbola mibahan-toerana ny kajikajy politika, toy ny resaka fifidianana loholona. Miainga amin’ny tian-kano tsy tian-kano, endriky ny fifidianana mandeha ila ka ny mpiray petsapetsa ao anaty fitondrana no manao sarin’ady na efa miady an-trano. Karazana tandindon’ny faharavan’ny fitondrana rehefa ny mpiara-mitondra no mifaninana ao anaty fifidianana. Izao indray dia mandeha ny fampitenenana ireo ambara fa avy amin’ny mpanohitra manohana sy handray anjara feno amin’ny fifidianana. Endrika maneho fa tsy manan’olona sy te hampiseho fifidianana malalaka hatrany eo anatrehan’ny zava-misy sy ny fijerin’izao tontolo izao. Miditra hatrany anaty fahalovana anefa ny firenena, miha tsy marin-toerana ny fanjakana, mihalalina ny disadisa politika,… Ny fiainam-bahoaka tsy mandeha amin’ny laoniny fa tena miha sahirana andro aman’alina. Tena maharo ve io hery arangaran’ny fanjakana amin’ny vava be ataona manamboninahitra ambony io? Ny mpitondra Fanjakana anefa fatoran’ny fampanantenana noventesina nakana fom-bahoaka tany am-boalohany, saingy mena ny tondro rehetra. Ekena fa miasa ny Fitondrana, araka ny serasera ataony, saingy tsy ny seho ivelany no zava-dehibe fa ny vokatra miantraika amin’ny toekarena sy ny fiainam-bahoaka! Sanatria toa mizotra makany amin’ny kizo hatrany ny firenena ?

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Tsy afa-mihemotra intsony!
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Azo lazaina ho tsy afa-mihemotra

  • Tsio-drivotra hafahafa !?
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Isehoana trangan-javatra

  • Mbola tetikasa milevina!
  • Talata 28 Aprily 2026

Nalaza an-taonany maro ho

  • Tsy misy toerana ho
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

an’ny hadisoana !

  • Porofoy sy asehoy
  • Zoma 24 Aprily 2026

fa tsy mivaona! Mitady ho difotry ny

  • Edito
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

Mbola mitady tia tanindrazana!

Hijery ny tohiny
FTT