Nitsangana iny ny governemanta, ka nomena enim-bolana manaraka indray ireo minisitra izay naverina tamin’ny toerany avokoa hamita ny asa sy programa mifanaraka amin’ny veliranon’ny filoha.
Mba fantatry ny Malagasy tsirairay ve hoe inona sy inona marina ary voafaritra mazava ve ireo ambara fa fifanarahana arahina programa hotanterahina na “contrat-programme” ? Mizotra mankaiza marina ny fomba fitantanana ity firenena ity ? Sao dia mba teny sy voambolana mirafidrafitra hoenti-mamono lolo ny vahoaka fa ny tena ao anatiny poakaty ? Mila fantatry ny rehetra ny zavatra vita sy hovitaina ao anatin’ny 6 volana manaraka toy ny hoe handry fahalemana ny tany afaka izao volana na izao taona, hidina tahaka izao na izao ny vidin’ny entana andavanandro, fotodrafitrasa tahaka izao sy izao no ho vita,… . Zavatra toa bambaray tsy misy drafi-panatanterahana mazava no atao be filaza hampanantenana vahoaka. Toa miainga amin’ny hevitra kitaitaitra sy torapo aza indraindray, toy ilay hoe hanamboatra ny Kianjan’i Mahamasina satria taitaitra tamin’ny fahombiazan’ny Barea. Toa mbola mihevi-tena ho any anaty propagandy izany, ka mipatrapatraka ny fampanantenana am-bava, fa ny paikady hoenti-manatanteraka mipetraka ho baraingo hatrany. Aty anatin’ny enim-bolana nitondrana, tsy mipetraka ny rafi-pitantanana kanefa maika nandrava toy ny Lehiben’ny faritra nesorina tsy misy solony voatendry, tsy misy masoivoho, tsy misy Tale jeneralin’ny CNaPS mipetraka, tsy misy Talen’ny Bianco,… Aiza ho aiza amin’izany ilay hoe masinina haingam-pandeha ?
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.