Tsy manan-kery intsony ny kara-pifidianana teo aloha fa karatra vaovao mihitsy no ampiasaina manomboka amin’ny 17 novambra ho avy izao. Io no nambaran’ny avy ao amin’ny CENI, fantatra ihany koa fa 10 tapitrisa no natonta , raha 7 tapitrisa mahery ny isan’ny mpifidy manerana an’i Madagasikara voasoratra anarana ao anaty lisi-pifidianana. Mety ho noho ny lafiny teknika moa no nampitombona ny isa, satria mety misy ihany ny olana mitranga eny an-tsefatsefany eny. Ireo “agents électoraux” moa no hizara ny karatra isaky ny fokontany, ary ireo izay tsy nahazo izany kosa dia afaka manatona ny biraom-pokontany. Izay ny amin’iny , fa ny tsy aritra tamin’ity resaka ity dia ao anatin’ny herinandro ve izany no hizarana ny kara-pifidianana 7 tapitrisa mahery manerana ny nosy, dia ahoana raha ohatra ka misy olana mitranga, tahaka ny hoe diso ny anarana, na tsy mifanaraka amin’ny anarana ny adiresy sy ny asa, na ny daty nahaterahana. Zavatra efa mateti-pitranga mantsy izany.
Mitombona io ahiahy io satria maro ny olan’ny fitondrana tetezamita tamin’ireo ‘opérateurs de saisie” nikarakara ny lisi-pifidianana . Raha misy tokoa mantsy ny diso dia ambara eny amin’ny fokontany izany, ary ny ao indray no mandefa ny tatitra any amin’ny distrika ka raha ilaina dia averina ny fanontana ireo karatra nisy diso tsipelina. Mety hafiriana no hahavitan’izany fanitsiana izany sy ny fandaminana ireo tsy fetezana ! tsy misy mahafantatra ny momba izany. Tsy mbola afaka ao an-tsain’ny olona ihany koa ireo bileta tokana efa voamarika teo amin’ny Eny hita tany Moramanga; ireny aloha ny zava-misy na inona na inona filazan’ny CENI . Maro arak’izany ireo tena velon’ahiahy fa hisy olana ara-teknika goavana ity fitsapan-kevi-bahoaka amin’ny 17 novambra ity satria maro loatra ireo sampona sy tsy fetezana mipoitra etsy sy eroa. Hita ho miezaka ny mandamina ny fanjakana, saingy ny olana dia misy ireo manampahefana tsy mieritreritra afa-tsy ny tenany sy ny sezany ka manao izay rehetra azony atao hampandaniana ny Eny.
Tena sarotra arak’izany ny toe-draharaha satria tahaka ny mifampiandriandry izany ny rehetra ary toa tsy miraika amin’ireo fitarainana sy filazana ny tsy mety ny fitondrana tetezamita fa miroso hatrany . Tsy resaka filam-banona ny anay , hoy ny avy ao amin’ny ankolafy telo fa fanairana ny rehetra satria mizotra mankany amin’ny krizy mafy kokoa ny firenena raha tanterahana io fitsapan-kei-bahoaka maha-diavolana ny fon’ny FAT mianakavy io. Tsy miova amin’io ry zareo ary azo antoka fa hafampana ny fanehoan-kevitra sy ny fanentanana eny amin’ny Malacam amin’ity anio ity ary mety hisy ny fanambarana lehibe ; miha-akaiky ihany mantsy ny datin’ny 17 novambra, ary miha-mafy ihany koa ny hetsiky ny mpanohitra . Etsy an-kilan’izany mitohy ihany ny fitsidiham-paritry ny filohan’ny FAT ary dia mitohy koa ny fampanantenana. Dia ho hita eo moa raha ho voazara ara-dalàna ny kara-pifidianana, na ny FAT indray no hizara …karatra !
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.