14 oktobra. Daty mety ho vitsy mpahatsiaro izany. Tsy ifanomezan-tsiny satria fanina amin’ny adilahy politika ny maro ary revo amin’ny adim-piainana ihany koa. 14 oktobra 1958 - 14 oktobra 2010 : feno 52 katroka amin’ity anio ity no nanomezana fizakantena an’i Madagasikara. Dingana iray mialoha ny nirosoana tsikelikely any amin’ny fahazoana ny fahaleovantena io. Tamin’io 14 oktobra 1958 io no navela horaisin’ny Malagasy an-tanana amin’izay ny fitantanana ny fanjakana, ka teraka tamin’izany ny governemanta zanatany izay notarihin’i Philibert Tsiranana, nasolo ny governora frantsay tamin’izany. Io dia fampiharana ny “loi-cadre” an’i Gaston Defferre, ministra sosialista frantsay, misahana ireo tany ivelan’ny Frantsa tamin’izany, izay zanatany ny ankamaroany. Ny 23 jona 1956 no lany teo anivon’ny Antenimieram-pirenena frantsay io “loi-cadre” an’i Gaston Defferre io, izay mamariparitra ny lalana hirosoan’ny zanatany tsimoramora mankany amin’ny fahaleovantenany.
Maro ny zava-nitranga teto amin’ny firenena tao anatin’izay 52 taona izay. Fanaparam-pahefana, fanonganam-panjakana niharo vonoan’olona, hetsi-bahoaka nitarika amina tetezamita … Lalàmpanorenana mamaritra rafi-pitantanana sy endri-pitondrana maro no nandramana teto. Maro koa ireo olona nifandimby nitondra tao anatin’izay fotoana izay, niandoha tamin’i Philibert Tsiranana (1958-1972), jeneraly Ramanantsoa Gabriel (1972-1975), ny kolonely Ratsimandrava Richard (febroary 1975), Didier Ratsiraka (1975-1991), Guy Willy Razanamasy (1991-1993), Zafy Albert (1993-1996), Ratsirahonana Norbert Lala (1996), Didier Ratsiraka (1996-2001), Marc Ravalomanana (2002-2009) ary Andry Rajoelina (2009-). Fanontaniana mipetraka ny hoe : mby aiza ankehitriny i Madagasikara, ilay zanatany frantsay teo aloha, 52 taona aty aoriana ny nizakany tena ary 50 nahazoany fahaleovantena ? Marihina fa herintaona talohan’i Madagasikara, izany hoe ny 31 aogositra 1957 i Malezia (zanatany anglisy) no nizakatena. Aiza no toerana misy io firenena aziatika io ankehitriny ? Samia mieritreritra !
Jean D.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.