Edito

Mivonona indray


  • Alatsinainy 29 Janoary 2018

Koa raha ny mpiasam-panjakana aza moa no efa miaiky fa toy ny mihantsy azy ireo hanao fihetsiketsehana ny fitondrana ka mampanahy sao tetika hanemorana fifidianana izany, tsy aleo koa ve mivonona amin’izay mety hitranga indray isika mianankavy ?

Mivonona mba ho tonga tompon’andraikitra amin’ny fisorohana ireo fahazaran-dratsin’ny manampahefana hatramin’ny taona 1959 dia ny tsy hiverenan’ny hala-bato mampiaiky izao tontolo izao intsony. Mivonona amin’ny fandraisan’anjara amin’ny fifidianana mba ho anisan’ny hanan-jo hitabataba raha sanatria tsikaritra ho tsy mandeha amin’izay laoniny ny dingana tokony narahana rehetra mandritr’izao taom-pifidianana izao mandra-pahatongan’ny fivoahan’ny vokatra rehetra. Rahampitso sisa no fetra farany ahafahana manamarina  ny anarana ao anaty lisitra ary niarahan’ny rehetra nahatsikaritra fa fohy dia fohy izay 1 volana izay kanefa dia olona hitantana antsika mandritry ny 5 taona be izao no hofidiana. Etsy an-kilany anefa ny fampielezankevitra mialoha ny fotoana manomboka mirarakompana. Midika aloha io fa samy miaiky ny ankamaroany hoe tsy ampy hahafantarana olona 1 ihany koa ny 1 volana monja hampielezankevitra amin’ny fomba ofisialy afaka 11 volana eo ho eo. Ny antsojay isan-karazany koa dia mbola mampahatsiahy ny efa nisy hatramin’izay ihany. Tsy mba hisy mpitondra ho sahy hiaiky ho tsy nahavita azy mihitsy izany eto ka hametra-pialana am-pahendrena fa na dia efa hita izao aza fa fihemorana sy fahantrana miavosa no manao tohivakana dia mbola lazaina ho fisandratana ihany.

J. Mirija  

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Anatra ho an’ny sisa !
  • Zoma 02 Oktobra 2026

Mafana ny resaka dosie

  • Enga anie mba tsy ho…
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Faheno tamin’ny Fitondrana teo

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

Hijery ny tohiny
FTT