Tsy maintsy misy olana vaovao atrehana foana isaky ny herinandro ny fitondrana tetezamita, ary efa nanomboka tany amin’ny raharaha FIGN io resaka io raha ny fahitan’ny maro azy. Nanamarika ny taona 2010, ohatra, ny karazana fikomiana sy fanambarana manamboninahitra tahaka ny tao amin’ny FIGN Fort Duchesne, ny teny amin’ny RAS Ampahibe, ny raharaha BANI, teo ihany koa ny fanambarana nataon’ireo manamboninahitra 9 mirahalahy teny amin’ny Carlton, ny olana anatin’ny FIS, ny resabe momba ny komanda Roger Luc.
Nahazo vahana koa ny fitakiana sy grevy isan-karazany tamin’ny 2010, ny an’ny dokotera, ny Paramed, vatsim-pianarana, ny mpiasan’ny ministera sasany, ny teny anivon’ny ladoany, ny tao amin’ny seranan-tsambon’i Toamasina, izay saika nisy akony ratsy sy goavana teo amin’ny fiainam-pirenena, ny fitokonan’ny mpitatitra, ny fitokonan’ny mpampianatra FRAM izay mbola mitohy hatramin’izao, ny an’ny mpampianatra mpikaroka eny amin’ny oniversite, ny fitokonan’ny mpitsara sy ny mpisolovava….
Hita ho tena sempotry ny fitakiana sy ny fitokonana mihitsy ny FAT ary tsembo-dratsy ihany vao mahita vahaolana vonjimaika raha mahita. Ankehitriny dia miampy indray ny fahasahiranana satria vidin’entana maromaro no nifanesisesy niakatra, teo ny vary, ny siramamy, ny menaka, ary vao tamin’ity herinandro ity dia niakatra indray ny vidin-tsolika izay tena kitro hifaharan’ny fiainam-pirenena. Tsy maharaka izany zava-drehetra izany ny sarintsarina fanampiana napetraka tahaka ny tsena mora, hany ka voatery nitady hevitra hafa ny fanjakana ka nanapa-kevitra ny hanafatra vary azo amidy amin’ny vidiny tena mora zakan’ny vahoaka. Mety hanafatra siramamy sy solika koa atsy ho atsy.
Milokaloka anefa ny mpampidi-ketra fa nety, hono, ny asa ary niha tsara aza ny fampidiran-ketra, ary tsy maintsy hohatsaraina izany amin’ny manaraka. Efa nangata-bola tetsy sy teroa i Andry Rajoelina sy ireo mpiara-miasa aminy saingy tsy nahomby izany hatramin’izao. Mety ho noho io fahasahiranana ara-bola io no nahatonga ny fahataran’ny fandoavan-karama matetika sy mahatonga ny governemanta hitady hevitra hitsitsiana sy vola mivoaka ka mitady hisisika hametraka ilay Passerelle Internationale Unique izay tsy eken’ny orinasa amin’ny fifandraisan-davitra rehetra eto amintsika. Sempotra ny fitondrana tetezamita, ary vonjimaika daholo ny vahaolana arosony amin’izao fotoana, vahaolana tetezamita e !
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.