Ny filoha Frantsay Nicolas Sarkozy no mitarika ny G8, miampy firenena 12 hafa fikambanan’ireo firenena 8 matanjaka ara-toekarena indrindra manerantany sy ny G20 na ny G8 miampy firenena 12 hafa azo ambara fa manana ny toerany eo amin’ny fiainan’izao tontolo izao, tahaka an’i Afrika Atsimo, India, Brezila. Ankoatra izany dia mbola i DSK na Dominique Strauss Khan no filohan’ny FMI na ny Tahirim-bola iraisam-pirenena. Midika izany rehetra izany fa matanjaka amin’ny fifandraisana sy ny fanapahan-kevitra eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena i Frantsa, izay mpikambana maharitra ihany koa ao amin’ny filankevi-pilaminan’ny Firenena Mikambana ary mbola manana an’i Alain Le Roy efa masoivoho Frantsay teto amintsika amin’ny toerana ambony ao amin’ny vaomieran’ny fandriampahalemanana ao amin’ny ONU.
Tsy vahiny amin’ny zava-misy eto Madagasikara hatramin’izay i Frantsa ary manao izay rehetra azony atao mba hahatafita ny paik’adiny amin’ny famahana ny krizy. Na dia nangingiana aza ny OIF na fivondronan’ireo firenena mampiasa ny fiteny Frantsay dia nanalokaloka hatrany ny sain’ireo mpanelanelana i Lafrantsa ary nahita hatrany ny tetika hanilihana ireo olona tsy metimety aminy, tafiditra ao anatin’izay i Marc Ravalomanana. Tamin’ny 2006, raha voafidy fanindroany i Marc Ravalomanana no efa nisy tompon’andraikitra ambony Frantsay, tsy hotononina anarana eto nilaza fa «tsy mety amintsika io mpivaro-dronono io, fa tsy maintsy karohana ny tetika rehetra hanesorana azy eo amin’ny fitondrana… ».
Dia niaraha-nahita ny zava-nitranga nanomboka teo fa niha mafy ny fanoherana ny fitondrana, ary nahita … tanora mora baikona ny mpanongam-panjakana dia izao no vokany. Sangodim-panina avokoa no natao teto raha ny fandinihana azy fa ny tanjona dia tsotra, ovaina tanteraka ny zava-misy napetraky ny fitondrana Ravalomanana teto izay tsy nahitan’ny Frantsay tombony mihitsy. Ankehitriny kosa anefa dia manomboka velombolo ny mpandraharaha Frantsay, nofoanana ihany koa ilay hoe anisan’ny fiteny ofisialy ampiasaina eto ny teny anglisy fa dia tavela ao kosa ny teny frantsay. Ao anaty lalàmpanorenana izany, dia nampian’ilay hoe afaka mividy tany eto ny vahiny moa izany rehetra izany. Efa miketrika ny hifehy ny fitrandrahana solika eto ny Frantsay ary efa manonofy ny hitrandraka harena ankibon’ny tany maro ihany koa.
Dia tena voailika tokoa i Dada satria matanjaka (angamba) ny mpifanandrina aminy, ireo mpanohana eto an-toerana koa moa sahirana ihany satria vao mihetsika mahery dia any am-ponja, ary mbola misy koa aza ny mpikarama an’ady politika. Tsy misy maharatsy ny fiaraha-miasa amin’ny vahiny mihitsy, saingy ny mampanahy ny maro dia ireto Frantsay tena tia tena, ary efa nampijaly ny Malagasy nandritra ny enimpolo taonan’ny fanjanahantany kanefa handoalihan’ny mpitondra antsika indray amin’izao fotoana. Tsy azo adinoina ihany koa fa anisan’ieo sahirana ara-toekarena any Eorôpa i Frantsa, ary izy no firenena anisan’ny be olana indrindra amin’ireo ambara fa firenena matanjaka. Tsy mahagaga, arak’izany, raha mitady tany malemy hanorenam-pangady ny mpitondra Frantsay, hanavotany ny toekarena izay mitotongana isan-taona. Ny mampalahelo ihany koa dia mbola maro ireo mpiray tanindrazana tsy mahalala ny tena marina ka mitsambiki-mikipy sy manaraka be fahatany ny sori-dalana hanamora ny fiverenan’ny mpanjanatany fahiny indray, dia ho hita eo ny ho vokany satria mirona any amin’izany isika amin’izao fotoana, ho hita eo raha handroso tokoa i Madagasikara ao anatin’ny 50 taona manaraka !
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.