Edito

Miverina amin’ny taloha


  • Alakamisy 28 Septambra 2017

Raha mba ilay tsara tamin’ireo zava-niainana fahiny no miverina ankehitriny, maninona moa ?

Miharihary hatrany anefa fa ireo fomba amam-panao niteraka fifandirana sy efa nilaozan’ny toetr’andro hatrany ankehitriny no haverina tsikelikely eto. Hatramin’ireo aretina sy tsy fandriampahalemana mitranga koa dia ireo efa nahitan’ireo firenen-kafa fanafana avokoa no mbola hikaroham-bahaolana eto foana. Toy ny firenena tsy mahay maka tahaka ny hafa isika rehefa tsara sy mahasoa fa rehefa revirevy sy haitraitra kosa dia toy ireny badraodra ireny ery vao tsy maharaka kely. Oviana moa ireo tany afrikanina namana no tsy efa niala tamin’ny bileta tokana hanaovana fifidianana ? Ny antsika, zara aza nisy namerina tamin’ny tetezamita farany teo ilay izy dia io mbola rirotina io hatrany. Tsy mba mahamenatra ve hoe aretina efa tany amin’ny fiafaran’ny taona 1900, toy ny tioberkilaozy sy pesta dia mbola tonga eto foana ? Sa hisy tompon’andraiki-panjakana indray hamaly fa mbola betsaka ny tany an-dalam-pandrosoana ahitana izany ? Mahagaga ihany hoe fonja aty amin’ny taonjato faha-21 dia mbola voavaky amin’ny alalan’ny sotro tahaka ireny tamin’ny andron’ny western tany Texas ireny ! Tsy voatery ho ratsy tokoa ny miverina amin’ny taloha saingy mila fadiana kosa raha tsy hahasoa.

J. Mirija

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Na izany aza… !
  • Talata 05 Mey 2026

Hanomboka fivoriana ara-potoana

  • Miandrandra ny
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

mety kokoa hatrany!

  • Tsy afa-mihemotra intsony!
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Azo lazaina ho tsy afa-mihemotra

  • Tsio-drivotra hafahafa !?
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Isehoana trangan-javatra

  • Mbola tetikasa milevina!
  • Talata 28 Aprily 2026

Nalaza an-taonany maro ho

  • Tsy misy toerana ho
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

an’ny hadisoana !

Hijery ny tohiny
FTT