Edito

Miverimberina ny tantara


  • Alatsinainy 12 Jona 2017

Izay tokoa angaha no maha voasokajy ho tany an-dalam-pandrosoana ny tany an-dalam-pandrosoana.

Asa moa raha mbola mitombina ho antsika io fanasokajiana io fa ny mampametra-panontaniana matetika ankehitriny dia hoe an-dalam-pandrosoana sa tsy mandroso sa an-dalam-pihemorana mihitsy no sokajy azo hametrahana ity firenena ity amin’izao toe-draharaha miseho ankehitriny izao ? Ho an’ny tany mandroso rehetra dia « mitohy ny tantara » satria mazava ho azy fa ny fikatsahana ny fandrosoana amin’ny alalan’ny asa tsy ilana fandokafan-tena fa voatsaran’ny vahoaka amin’ny hitan’ny masony sy miharihary hatrany no iainana. Ho an’ireo firenena izay tsy toy izany kosa dia mitombina mihitsy ilay fanamarihana hoe « miverimberina ny tantara » satria dia ny zava-niseho efa hita tany amin’ny 30 taona lasa mahery ihany no mbola tazana amin’ny endriny hafa aty amin’ny taon-jaton’ny fahazavana aty. Vao izao ve moa no nisy fakana an-keriny misesisesy nialoha fifidianana ? Vao izao ve no nisy fitokonan’ny mpiasam-panjakana sy ny mpianatry ny oniversite ? Vao izao ve no nisy ireny tsy fietezan-javatra marobe tabatabain’ny olona isan’andro ireny ? Miverimberina ny tantara ratsy saingy irariana mba tsy ho sanatria ho lasa fomba amam-panao.

Mirija    

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Enga anie mba tsy ho…
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Faheno tamin’ny Fitondrana teo

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

Hijery ny tohiny
FTT