Edito

Mivelona amin’ny fanantenana


  • Alakamisy 17 Aogositra 2017

Mivelona amin’ny fanantenana ny mino, hoy ny lohahevitry ny fiangonana iray anisan’ny lehibe eto Madagasikara, iray volana lasa izay.

“Ny fanantenana no hiveloman’ireo bado”, hoy kosa ny oha-pitenenana frantsay. Na ilay ohatra voalohany na ilay faharoa dia samy maneho fa mahavelona ny fanantenana. Mahavelona manao ahoana anefa ? Amin’ilay maharitra ve sa ilay mampitsipozipozy ? Anjaran’ny tsirairay no mamaly azy. An-taonany maro izao dia saika fampanantenana hatrany no nampiainan’ireo mpitondra nifandimby ny vahoaka teto. Mpitondra iray koa io omaly io no nampanantena indray tahaka izay efa nampanantena rehetra teo alohany fa imasoana amin’izay ny ady amin’ity kolikoly mandifotra sy mambotry ny firenena ity. Raha ny zava-misy anefa dia nihemotra hatrany ny laharantsika teo amin’ny sehatra iraisam-pirenena teo amin’ny ady amin’ny kolikoly ity. Enga anie hivadika tokoa ny tantara ato ho ato !

J. Mirija

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Enga anie mba tsy ho…
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Faheno tamin’ny Fitondrana teo

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

Hijery ny tohiny
FTT