Edito

Mivaro-pananana


  • Talata 07 Septambra 2010


Lasa nigodogodona fa tonga tsy re tsaika. Toa zary fomba amam-panao io tato anatin’izao fitondran’ny Fahefana Avon’ny Tetezamita izao. Mbola tsaroana etoana ny manodidina ny fankalazana ny fetim-pirenena tamin’ity. Taom-pankalazana faha-50 ny tamin’ity. Jobily volamena no marimarina kokoa. Dia nanafarana mpanakanto avy any ivelany any, dia nanaovana fety mitapôlaka sy narahina afomanga koa niampy rentirenty samihafa, ary nananganana tsangambato. Nisy Komity manokana najoro hikarakara ny fety. Hatreto anefa efa ho telo volana ihany izao ny fety, tsy re be tsy re kely io komity io mba nanao tatitra ofisialy ny zavatra nataony. Ny manitikitika ny maro dia ny amin’ny fandaniana ara-bola.

Hoatrinona marina no natontona tao, ary iza no niantoka ny fanafarana ireny mpanakanto vahiny ireny ? Teo amin’ny lafiny fanatanjahantena indray dia nankalazaina ny fandraisana anjaran’i Madagasikara tamin’ny lalaon’ny CJSOI tatsy La Réunion farany teo. Nandrombaka medaly ny atleta Malagasy tany. Nivoaka voalohany koa isika tamin’ny laharana ankapobeny teo amin’ny totalin’ny medaly azo. Izay eo ihany fa mba niandry tatitra ofisialy momba azy iny ny Malagasy, indrindra fa ny ara-bola. Volan’ny Malagasy madiodio mantsy no nambara fa nenti-nanana ny fivahinianan’ny atleta tany La Réunion. Manodidina ny 352 tapitrisa ariary teo no niaingana teto. Ny tatitra ara-bola no tokony hamaritra mazava hoatrinona no lany tany ? Nisy ambim-bava ve ? Raha nisy dia natao aiza na koa natao inona ? Tsy ampy ve ny vola ka nidiran-trosa ? Fanao rahateo ny tatitra rehefa misy asa atao mba hialana amin’ny ahiahy tsy ihavanana, toy ny resaka mandeha ankehitriny fa nisy ambim-bava 157 tapitrisa ariary iny dia tany La Réunion iny. Toy izany koa ny amin’ireo kaontenera voasesika «bois de rose» miisa 273 niainga tao Vohémar nentin’ny sambo «Le Kiara» an’ny kaompania Delmas, nihazo an’i Azia. Raha ny tombantombana dia mananika ny 23.600 tapitrisa ariary ny vola tokony ho niditra amin’ny kitapom-bolam-panjakana momba azy io.

Hatreto anefa, tsy voalaza na tafiditra marina na tsia ny vola. Ny loza mantsy dia vakoka iraisam-pirenena no norobaina nakana ireo hazo ireo, ary mahasarotiny azy ireo tokoa. Ny vahiny aza moa sarotiny mainka fa isika Malagasy. Misy anefa ny manararaotra ny tsy mampisy ny Antenimieram-pirenena izay manara-maso sy afaka mampanao fanadihadiana mikasika ny toe-javatra toy izany, ka dia toa resaka samy vita eto fotsiny izy ity. Raha izao anefa no mitohy, tsy hiandry 50 taona araka ny filazan’ny sasany dia ho ripaka ny harem-pirenena amin’ity mivaro-pananana lava ity toa zaza ratsy fihary ity. Mitantana ny tsy nohariany marina ka tsy mampangirifiry azy akory.

 
Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Edito
  • Zoma 17 Aprily 2026

Kajy politika!

  • Ezaka iombonana
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Na tiana na tsy tiana moa izany

  • Lany andro mifanasa vangy!
  • Talata 14 Aprily 2026

Henjakenjana ny karazana

  • Milentika any
  • Alatsinainy 13 Aprily 2026

am-parahatoka ny mpitondra!

  • Hetseo ny herijika avy ato anatiny !
  • Alarobia 08 Aprily 2026

Mafimafy ny tsio-drivotra

  • Mbola betsaka no mila alamina!
  • Talata 07 Aprily 2026

Fanimpiriny izany izao no nahenoana t

Hijery ny tohiny
FTT