Mivarilavo !

Mitombo ny toe-javatra maneho sy manamafy fa miha mihemotra sy


  • Talata 12 Novambra 2024

mivarilavo ny firenentsika, fa tsy mba miroso ho amin’ny tsara kokoa.

Ny fiainana ara-tsosialy efa zary nofinofy sisa izany rano sy herinaratra milamina sy mirindra izany. Betsaka no manembona ny fahiny, fa izany rano izany dia tena nigalabonana sy maimaimpoana. Efa nisy aza moa fikasana hanondrana rano, saingy indrisy am-polo taona aty aoriana, fa fahirano no misy. Moa va tsy mizaka ny ngidiny hatramin’ny zavaboahary satria dia tena baiko miainga avy any amin’ny Filoham-pirenena sy notapahana tany anaty filankevitry ny Minisitra fa tsy azo atao ny manondraka voninkazo. Dia asa re raha mba tsaroan’ny mpitondra antsika ny lesona tany amin’ny ambaratonga fototra, fa ny rano hanondrahana ny natiora no mivadika entona miakatra eny amin’ny habakabaka sy manadio ny rivotra iainana, ka antony hirotsahan’ny orana hanamando ny tany. Dia lasa mandeha ny fakana tahaka be fahatany amin’ny zava-misy any ivelany hanaronana ny tsy fahombiazana. Ny any anie ka ny rano mihitsy no tsy misy e ! Fa ny antsika anie mbola betsaka ireo azo trandrahana na ekena aza fa maina ny tany e ! Saingy indrisy fa tsy ampy finiavana, tsy ampy tolo-tsaina,… ka zary lasa maneso antsika ny hoe : manana teleferika 151 tapitrisa euros, manana kianja 77 tapitrisa dolara,… fa ny vahoaka kere, tsy ampy rano, mitrongy vao homana,… Fa moa mbola ny fandravonana izany no maha maika ? Mbola ny hanao kajy maloto ara-pifidianana, mihantsy ady amin’ny kabary sy fiteny tsy voahevitra,… Moa va tsy dia tena tafalentika tanteraka any amin’ny politika mivarilavo sy mivaona tanteraka ?
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

  • EDITO
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Mila miova raha te hanova ?

Hijery ny tohiny
FTT