Edito

Mivaralila


  • Talata 23 Mey 2023

Miharihary toy ny vay an-kandrina hatrany aloha ny tsy fahaiza-mitantana Firenena ankehitriny, raha tarafina amin'ny vokatra sy ny zava-misy.

Sanatria toa tahaka ny fitantanana "épicerie" hany ka arakaraky ny zava-miseho sisa, fa tsy misy drafitra matihanina sy maty paika intsony. Fitantanana krizy no misy eto fa tsy fitantanana Firenena rehefa dinihina, ary toa lany andro manilika ny tsy fahombiazana amin’ny zava-misy teo amin’ny sehatra iraisam-pirenena. Ny toekarena miha rendrika, ny volam-panjakana toa manahirana tanteraka ka sanatria toa tsy voafehin'ny lalàna intsony fa dia mandehandeha ho azy, karazan’ny efa anaty hamehana. Ny tetikasa samihafa toy ny "autoroute" nampiady hevitra ny fomba fiasa, ary toa efa namoahana volabe kanefa tsy hita izay vita fa kitrongitrongy nanotofana tanimbarin'olona no tazana. Raha ny fe-potoana nolazaina, tokony ho efa misy 40km vita raha hanenjika 80km hatramin’ny faran’ny taona marina! Tsy tapitra iny dia io indray ny resaka lalaon'ny Nosy ratsy karakara sy petatoko ary tena nirarakopana ny kiana,... Asa na sinema hoenti-mamerivery ny sain'ny olona ireny hoe: Filohana andrim-panjakana nisy niditra an-tsokosoko tao an-tranony ireny na politika avo lenta? Tsy vao izao rahateo no nisy ny fameriverezan-dia na “diversion” atao amin’ny vahoaka. Mahita havaly sy hanadiovan-tena foana anefa eo anatrehan’ny tandrametaka sesilany amin’ny fitantanana firenena. Sarotra ny hiaky ny lesoka sy ny tsy fahombiazana na efa hita miharihary sy tsy azo ialana izao. Maro ny endrika nisehoan’izany, ary mbola hita taratra amin’ny zava-miseho marobe eto, izay tsy arakaraka ny kabary sy vava tsy ambina samihafa fony mbola teo amin’ny fanoherana sy tamin’ny propagandy. Sanatria toa efa zatra mitondra tena ho tsy mety diso sy mihevi-tena ho Andriamanitra kely mihitsy ka na inona na inona fahadisoana sy hadalana atao amin’ny fitantantana ity firenena ity, toa heverina fa vitavita ho azy hatrany. Raha ireo mpitondra ankehitriny ve no teo amin’ny fanoherana ka tahaka izao ny zava-misy iainan’ny firenena tsy efa raikitra ny fanonganana sy filanjana vatam-paty na koa ny kidorodoro sy fandrobana tahaka izay efa nisy teto 14 taona lasa izay?
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Tsy afa-mihemotra intsony!
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Azo lazaina ho tsy afa-mihemotra

  • Tsio-drivotra hafahafa !?
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Isehoana trangan-javatra

  • Mbola tetikasa milevina!
  • Talata 28 Aprily 2026

Nalaza an-taonany maro ho

  • Tsy misy toerana ho
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

an’ny hadisoana !

  • Porofoy sy asehoy
  • Zoma 24 Aprily 2026

fa tsy mivaona! Mitady ho difotry ny

  • Edito
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

Mbola mitady tia tanindrazana!

Hijery ny tohiny
FTT