Edito

Mivaralila


  • Talata 06 Desambra 2022

Tsy adala ny Ntaolo raha nametraka sy nilaza fa miainga avy any ambony ny ohatra. Tahaka ny bokotr’akanjo io, ka rehefa diso avy any ambony dia movaralila hatrany ambany.

Mifankaiza amin’izany ny fomba fitantanana ny firenena ankehitriny? Tsy tahotra tsy henatra ny lainga miseho amin’ny endriny samihafa, ny zavatra lazaina anio disoina rahampitso ka toy ny olon-kafa no niteny teo aloha, ary hafa indray io miteny ankehitriny io. Ny kolikoly sy afera maloto efa zary tandra vadin-koditra, hany ka izay mahatsiaro tena ho manam-pahefana toa betsaka no manao izay tiany sy izay reviny. Ataon’ny olom-boafidy sy olom-boatendry volom-boasary rapadango ny tsenambaro-panjakana hany ka ireny iaraha-mahita ireny ny kalitaon’ny asa sasany. Ny fangoronan-karena amin’ny fomba mamohehitra tsy takona hafenina intsony, ripaka ny harem-pirenena, majifa hatramin’ny volamena any anaty biraomm-panjakana,… Ireny rehetra vitavita ho azy satria ny volomboasary izao no mitondra ny baolina. Efa misy maneho sy mivoy fa tsy maintsy mbola ho izy ihany no holany eo na amin’ny fomba ahoana na amin’ny fomba ahoana. Ny zava-drehetra anefa efa tena tsy misy mandeha, ny fitantanana ny raharaham-panjakana ambony ambany, ny Fanjakana bokan-trosa,… Ny hany hita taratra dia na mitady sy mamorona hoe: inona indray no ahafahana mampalaza tena, na mitady izay fomba hanariana dia ny vahoaka eo anatrehan’ny tsy fahombiazana. Efatra taona nahazoana seza sy toerana mbola fampanantenana totoafo. Ireny efa mivoaka ireny ny tarehimarika niainga tamin’ny fanadihadiana ara-tsiantifika fa Malagasy 7 amin’ny 10 no mahita fa miharatsy sy miha mitotongana hatrany ny toekarena. Mbola handaitra foana ve ny bemanaiky ka na efa hanitsaka hatrany an-tampon-doha aza mbola hilefitra ny Malagasy ?
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Tsy afa-mihemotra intsony!
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Azo lazaina ho tsy afa-mihemotra

  • Tsio-drivotra hafahafa !?
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Isehoana trangan-javatra

  • Mbola tetikasa milevina!
  • Talata 28 Aprily 2026

Nalaza an-taonany maro ho

  • Tsy misy toerana ho
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

an’ny hadisoana !

  • Porofoy sy asehoy
  • Zoma 24 Aprily 2026

fa tsy mivaona! Mitady ho difotry ny

  • Edito
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

Mbola mitady tia tanindrazana!

Hijery ny tohiny
FTT