Edito

Mivadika ny rasa


  • Talata 13 Aprily 2010


Ny foloalindahy no mifehy ny raharaham-pirenena ankehitriny. Izy ireo no mibahana ny vaovao tato anatin’ny herinandro teo izao, indrindra hatramin’ny nanilihan’i Andry Rajoelina tamin’ny toerany ny minisitry ny fiarovam-pirenena, ny jeneraly Rakotonandrasana Noel. Nifoha ireo be tsy miteny. Mihorohoro ny tanàna maheno ny firodorodon’ny baotin’izy ireo. Tsy hiala aho, hoy ny nesorina. Omeo sy ampahafantaro anatin’ny fe-potoana faran’izay malaky ny soridalana hivoahana amin’izao krizy izao, hoy ny foloalindahy, izay toa mampitandrina ankolaka koa ho an’izay mbola mitarika olona eny an-dalambe. Dia izay tian’ny foloalindahy hatao izany eto dia mety avokoa, na hita izao aza fa mifanohitra amin’ny demokrasia ny raharaha. Tsy vitsy koa raha ny fanambarana re tato ho ato ireo mpanao politika, toa marisika sy miantso ny miaramila handray andraikitra, ka dia nivadika ny rasa. Tsy misy tan-dalàna intsony eto fa dia miantso mpanao gazety any an-tranony maneho hevitra ny miaramila, amin’izay manamboninahitra ary am-perinasa. Nefa dia izay tsy fanajana fitsipika sy ny soatoavina ary ny famintranana ny firahalahian’ny samy foloalindahy izay indrindra no anisan’ny lahadinika tamin’ny fifamoriana teny amin’ny Lapam-panjakana Iavoloha omaly. Ny hafa te hanao fanazaran-tena eto afovoan-tanàna, hitsapana ny paikady sy ny herin’ny fiarovana ny Lapam-panjakana. Valalanina ny vahoaka eo anatrehan’izany. Toa mitory mantsy izany fa mbola ho lavitra izy ity, toa fandaniana andro amin’ny ady tombontsoa no betsaka nefa ny vahoaka efa trotraky ny fahantrana. Mivadika ny rasa. 

Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

  • EDITO
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Mila miova raha te hanova ?

  • Mamafy rivotra !
  • Zoma 11 Septambra 2026

Fomba firesaka ifandovan’ny

Hijery ny tohiny
FTT