Edito

Mivadibadi-dela


  • Alakamisy 06 Mey 2010


Ala nenina ! Teny nanosika ny mpidinika tany Pretoria hitady ny tenierana hamaranana ny krizy eto Madagasikara io, nefa koa nentin’i Andry Rajoelina nisehoana tamin’ny Malagasy fa tsy ho avy aminy ny sakana raha sanatria ka tsy tonga amin’ny fifanaovan-tsonia. Ity farany no nitranga. Nanangam-bovona i Andry Rajoelina avy any Pretoria nilaza fa vita hatreo ny dinika amin’ny telo tonta, ka dia hiroso izy na iza vonona na iza tsy vonona ary tsy maintsy vitaina alohan’ny faran’ny taona ny tetezamita. Eo anatrehan’izany dia mba misy zavatra vitsivitsy ireto, efa fantatry ny maro, saingy tsy mba resahana ihany. Nisy fanafihana nataon’ny miaramila teny Ambohitsorohitra ny alin’ny 16 martsa 2009, izay mahatonga an’izao tontolo izao hanizingizina fa «coup d’Etat militaire» no nisy teto Madagasikara, ary anisan’ny nanery ka nahatonga ny Filoha Marc Ravalomanana niala tao Iavoloha. Aoka koa tsy hohadinoina fa nisy fipoahan-javatra mafy be koa teny Iavoloha tamin’io alin’ny 16 martsa io. Iza no sahy milaza fa tsy efa nikasa hanafika teny koa ny miaramila mpanongam-panjakana. Milaza ankehitriny i Andry Rajoelina fa tsy azo ampiharina intsony ny Maputo sy Addis Abeba. Ny fanontaniana miantefa aminy dia ny hoe : "mba omeo anaran’olona iray notendrenao ho ao amin’ny CST sy Kaongresin’ny Tetezamita izahay hanaporofoanay fa tena tia tanindrazana ianao ary vonona sy tena niala nenina hatramin’ny farany tokoa ?". Na indray maraina aza i Andry Rajoelina tsy nanendry ny olony tamin’ireo rafitra voasoritra ao amin’ny Maputo sy Addis Abeba ireo. Miharihary eto fa i Andry Rajoelina dia tsy nivonona mihitsy ny hametraka io rafitra sy sata Maputo io, ary izay no nahatonga ny fampiantsoana indray ny hanaovana ny Maputo 3. Ka tsy hahagaga raha hataon’ny olona dridrangilo ny filazana fa olona mpivadibadi-dela i Andry Rajoelina. 

Jean D.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

  • EDITO
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Mila miova raha te hanova ?

  • Mamafy rivotra !
  • Zoma 11 Septambra 2026

Fomba firesaka ifandovan’ny

Hijery ny tohiny
FTT