Edito

Mitsoaka an-daharana


  • Alarobia 03 Martsa 2010

Manahy mafy ny Fahefana Avon’ny Tetezamita sao tsy hahafeno trano ny mpizaika nasaina handray anjara amin’ilay atrikasa Teny Ifampierana hatao eny amin’ny Centre de Conférence International Ivato manomboka rahampitso ary mandritra ny roa andro, na dia efa totoafo aza ny fampahafantarana sy ny doka mandeha amin’ny haino aman-jery sy ny gazety arahin’ny sorabaventy eran’ny lalana toy ny hita eto Antananarivo.

Amin’ny ankapobeny tokoa mantsy dia tsy miraika ny olona, satria toa ny teo ihany no teo fa ny filazana azy no mody avadibadika. Vao mampihemotra ireo izay mba nazoto teny am-boalohany ihany koa ny fanazavan’i Manorohanta Cécile, lehiben’ny atitany, milaza fa atrikasa fankatoavana ireo volavolan-dalàna momba ny fifidianana sy ny fananganana ny Vaomieram-pirenena mahaleo tena misahana  ny fifidianana, izay efa nodinihina tamin’ireo atrikasa roa teo aloha, natao ny 06 sy 07 janoary 2010 sy ny 02 febroary niarahan’ny tamin’ny «Médiature» farany teo, ary izany rahateo no efa nampanarahana niaraka amin’ny taratasy fanasana ireo antontan-kevitra lasitra efa nifanarahan’ny mpizaika tamin’izany.

Nampisalasala ireo mpanohana ny Fahefana Avon’ny Tetezamita, efa nivonona ny handray anjara amin’ny atrikasa koa ny vaovao mandeha fa hisy fihaonan’ireo filohan’ny ankolafy efatra, Zafy, Ratsiraka, Ravalomanana ary Rajoelina hatao any Addis Abeba ny 8 ka hatramin’ny 10 martsa ho avy izao, hany ka betsaka no mitsoaka an-daharana satria mahatsiaro fa sady fandaniam-potoana fotsiny ny fandraisana anjara amin’ny atrikasa no mahatsiaro hatao fitaovana fotsiny.

Jean D.
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

  • EDITO
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Mila miova raha te hanova ?

  • Mamafy rivotra !
  • Zoma 11 Septambra 2026

Fomba firesaka ifandovan’ny

Hijery ny tohiny
FTT