Mitsiriritra ny fandrosoan’ny

hafa sisa azo atao!


  • Alarobia 16 Jolay 2025

Mitsiriritra ny fandrosoan’ny hafa sisa izany aloha hatreto no azo atao

eto amin’ity firenena ity, ary hatramin’izao, satria dia saika efa izay hatrany no fahita hatramin’izay 65 taona tsy nety nahatafavoaka antsika tato anaty fahantrana hatramin’ny nidirana tao anatin’ny atao hoe repoblika izay! Ny fitondràm-panjakàna sy ny rantsamangaikany manontolo io iaraha-mahita ny ataony. Zary alahelon’ny mpanara-baovao maro, indrindra, ny fianakavian’ireo manana ny maty sy mbola marary tsy mahatsiaro tena hatramin’izao vokatry ny raharaha fanapoizinana sy fahapoizinana ara-tsakafo, izay mbola mibahana ny matoam-baovao eto amin’ity firenena mandrak’androany, efa ho 2 volana izao, ny hoe maninona re no dia lalaovina toy izao ny ain’ny havanay? Taiza teto ambonin’ny tany tokoa moa no mbola nisy hoe tsy azo avoaka ny anaran’ny poizina namono olona 1 na 10 na 30 isa mihitsy satria hoe sao mampiana-dratsy ny hafa? Tsy efa mirongatra any anatin’itony tekinolojia fampiasan’ny tanora maro ankehitriny itony tokoa ve moa izany fampianaran-dratsy izany ary na tamin’ny fotoana mbola tsy nisian’ireny tekinolojia ireny aza, tsy efa nitombina foana ve ny oha-pitenenana hoe «Ny ratsy tsy kely lalana.»? Raha mba nampiova zavatra teo amin’ny fivoaran’ny fahasalamàn’ireo voalaza ho voapoizina moa ilay izy naninona? Iaraha-mahita io fa saika isan’andro, hatramin’izao, dia mbola misy mamoy ny ainy hatrany tamin’ireo narary ary tena vitsy dia vitsy sisa velona ao amin’ny hopitaly no sady tsy mahatsiaro tena ny ankamaroany, raha ny fanomezam-baovaon’ireo fianakaviana moa izany. Ka raha efa fantatra ary izany ny fototr’aretina na hoe ilay poizina, maninona no mbola tsy hita hatramin’izao ny fanafodiny fa ilaozan’ireo minisitra, mba tsy ilazàna hoe ny governemanta manontolo, mifampidipiditra amin’ity raharaha ity fotsiny indray, tahaka ny nataon’ny minisitry ny fanatanjahantena farany teo? Ny olona mijery hatrany izay fomba hampandrosoany ny fireneny fa isika izany aloha hatreto dia ny resaka fanasongadinana tranga mba hanankonana ilay fitantanana ny raharaham-pirenena, izay efa hita hatramin’ny ela fa tsy mandeha amin’izay laoniny ary io nampahantra lalina ny firenena, araka ny tombana nomen’ny tahirim-bola iraisampirenena sy banky iraisampirenena na ny firenena mikambana io, foana no mba imasoana eto hatreto. Mitsiriritra ny fandrosoan’ny hafa sisa azo atao!
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Edito
  • Zoma 17 Aprily 2026

Kajy politika!

  • Ezaka iombonana
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Na tiana na tsy tiana moa izany

  • Lany andro mifanasa vangy!
  • Talata 14 Aprily 2026

Henjakenjana ny karazana

  • Milentika any
  • Alatsinainy 13 Aprily 2026

am-parahatoka ny mpitondra!

  • Hetseo ny herijika avy ato anatiny !
  • Alarobia 08 Aprily 2026

Mafimafy ny tsio-drivotra

  • Mbola betsaka no mila alamina!
  • Talata 07 Aprily 2026

Fanimpiriny izany izao no nahenoana t

Hijery ny tohiny
FTT