Mitsipozipozy!

Ny resaka fifidianana eo. Ny Barea koa mbola eo.


  • Alatsinainy 10 Jona 2024

Ny olan’ny firenena amin’ny ankapobeny moa efa resahana sy handrosoana vahaolana tsy mety misy mpihaino isan’andro.

Naman’ny lanilany fahatany iny ny volabe 77 tapitrisa Dolara nambara ho nanavaozana ho kianja manara-penitra ny kianjaben’i Mahamasina fahizany. Fanindroany misesy rahampitso talata isika izao no hindrana tranon’olona hampiantranoina vahiny any Afrika atsimo any, raha atao amin’ny fomba hafa ny filaza ity fampiantranoana lalao amin’ny fiadiana ny tompondaka eran-tany eo amin’ny taranja baolina kitra ity. Lafiny fanatanjahantena iny fa na tiana na tsy tiana dia volam-bahoaka daholo no miala amin’izany rehetra izany. Ilay vahoaka malagasy izay mitsipozipozy satria tsy mivelona intsony ny ankamaroany amin’izao fotoana izao fa manao izay tsy hahafatesana anio, arak’ilay fomba fiteny tao anatin’ny repoblika hatramin’izay ka hatramin’izao izay hoe «Aleo maty rahampitso toy izay maty androany!». Ekena tokoa fa tsy mbola nety tafavoaka tanaty fahantrana isika hatramin’izay naha repoblika antsika izay saingy ankehitriny izany dia io namafisin’ny tahirim-bola iraisampirenena io fa vao mainka nilentika tanaty fahantrana lalina. Manomboka any amin’ny heverina ho zava-madinika tahaka ny saran’ny fifandraisan-davitra na «connexion», izay isan’ny tena nidangana sy miha tsy zaka intsony ankehitriny ny vidiny nefa mba efa nahafahana tokantrano samihafa maro namorona fihariana madinika betsaka no taratry ny tsy fanjariam-piainana eto voalohany. Ireo mpiasa amina orinasa mampanao asa ampitain-davitra koa moa dia isan’ny lasibatr’io. Ny tsy fandriampahalemana mirongatra. Tsy any ambanivohitra ihany fa hatraty an-tanàn-dehibe koa. Ny vidin’ny filàna an-davan’andro ikafiriana vao mahazo satria tsy ampy hividianana ny tena fenitra ilaina intsony ny enti-manana. Na ny zatra nandeha fiara manokana fahiny lasa mandeha taksibe ankehitriny fa tsy mba mahatakatra fiarakaretsaka intsony akory. Nahena aza ho an’ny ankamaroany izay fizorana anaty fitateram-bahoaka izay fa dia aleo mandeha an-tongotra mba ho sitrany hahay hisy hanampiana hamelomana ankohonana. Miaina anatin’ny mitsipozipozy na ilay antsoina amin’ny teny vahiny hoe «précarité» ny ankamaroany kanefa dia anaty toe-java-miteraka fitaintainana maro toy izany hatrany no asaina hitony satria fetim-pirenena, hono!
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Porofoy sy asehoy
  • Zoma 24 Aprily 2026

fa tsy mivaona! Mitady ho difotry ny

  • Edito
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

Mbola mitady tia tanindrazana!

  • Manaraka ho azy ny
  • Alarobia 22 Aprily 2026

vahoaka rehefa mety ny atao !

  • Isika ihany!
  • Talata 21 Aprily 2026

Mila fifanampiana ny fiainana,

  • Mila paikady matotra
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Nanaitra ary avy eo nahasosotra

  • Edito
  • Zoma 17 Aprily 2026

Kajy politika!

Hijery ny tohiny
FTT