Edito

Mitsipa-doha ny laka-nitana !


  • Talata 11 Janoary 2011


Anisan’ireo antoko politika nanoina ny fanasan’ny praiministra, Camille Vital, teny Mahazoarivo ny TIM Raharinaivo, izay efa nahatafiditra olona ao amin’ny Kongresy sy ny Filankevitra ambonin’ny tetezamita, ary efa mikendry seza ao anatin’ny governemantan’ny fampiraisam-pirenena indray ankehitriny. Manaiky ny fampihemorana ny fifidianana depiote izy ireo ary vonona ny handray anjara sy hanolotra kandida. Milaza ho mahazaka olona ireto TIM nitsipa-doha ny lakana nitana ireto. Etsy ankilan’izay anefa dia maro no tohina ihany indraindray amin’ny fomba firesaka sy fitenin’izy ireo. Sahy nilaza mantsy ireto tari-dRaharinaivo sy VyVato ireto fa be fangataka, hono, ny Tiako I Madagasikara izay tsy mbola nivadika tamin’i Marc Ravalomanana, ka tarihan’i Mamy Rakotoarivelo amin’izao fotoana.

Tsy mankasitraka ny hametrahana ity farany ho filohan’ny Kongresy iretsy voalohany raha toa ka hiditra ao anatin’ny rafitra tetezamita ihany ny TIM sy ny ankolafy Ravalomanana amin’ny ankapobeny. Mifikitra mafy amin’ny sezany Raharinaivo ka manosika iretsy namany hiaro azy, dia manao boloky mamerin-teny fotsiny izy ireo hoe : fanatevenana fa tsy fandravana ny efa mijoro no atao. Tsy tokony hohadinoina anefa fa Atoa Mamy Rakotoarivelo no neken’ny filohan’ny ankolafy 4 tany Maputo fa hitantana ny Kongresin’ny tetezamita, tahaka ilay hoe ny Pr Zafy Albert no filohan’ny Komitim-pirenena ho amin’ny fampihavanana sy ny hoe praiministry ny marimaritra iraisana no tendrena. Koa raha ny lôjika dia samy ampiharina ireo fepetra ireo fa tsy misy mandeha mitokana. Azo ambara, araka izany, fa mihozongozona ihany ny sezan-dRaharinaivo eny Tsimbazaza. Fa ny tena mahasadaikatra ireo mpitolona TIM tsy namadika palitao dia ny fahasahian’ireto mpikarama an’ady politika mikipy amin’ny lasa sy tsy nahalala ny zavatra nataony sy ny fanohanan’ny olona azy ireo.

Tsaroana etoana fa nivoaka sempotra ihany Atoa Raharinaivo Andrianatoandro tamin’ny fifidianana solombavambahoaka farany teny Ambohidratrimo, ary ny filoha Ravalomanana mihitsy no tonga teny an-toerana nanohana azy, raha tsy nisy izay angamba mety tsy tafiditra teny Tsimbazaza mihitsy ny tenany. Ary mety tsy tsaroan’ny maro ihany koa fa anisan’ny tsy nahamafy fototra ny TIM ny fomba fitantanana sadasada nataon-dRaharinaivo tao tamin’ny 2002 ka nahatonga ny olana maro saro-bahana taty aoriana. Tsy tokony hohadinoina ihany koa fa anisan’ireo niara-niasa akaiky tamin’i Hery Rafalimanana tamin’ireny fifidianana Ben’ny tanàna ny taona 2007 ireny i Vyvato Rakotovao, ary maro no nilaza fa anisan’ireo tompon’andraikitra tamin’ny faharesen’ny TIM teto an-drenivohitra izy, efa anisan’ireo mpanolotsainan’Atoa Ivohasina Razafimahefa ministry ny toekarena tamin’ny fitondrana Ravalomanana ihany koa izy.

Midika izany rehetra izany fa tena mahay milomano ao amin’ny tontolo politika izy mirahalahy mianaka ireo sy ny mpiara-dia aminy rehetra. Ary amin’izy ireo dia tsy dia ilaina akory ny hoe mahazaka vahoaka maro be fa ny fahaiza-miteny sy mamadibadika ny palitao no tena zava-dehibe. Tsy tonga tamin’ny toerana nisy azy ireo amin’izao fotoana anefa izy ireo raha tsy teo ny TIM noforonin’i Marc Ravalomanana, amin’ny maha mpikarama an’ady politika azy ireo anefa dia tsy olana aminy ny mitsipa-doha …ny lakana nitana. Ny mahagaga anefa dia toa tsy maharitra izay fitondrana misy azy ireo …

 
RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Manaraka ho azy ny
  • Alarobia 22 Aprily 2026

vahoaka rehefa mety ny atao !

  • Isika ihany!
  • Talata 21 Aprily 2026

Mila fifanampiana ny fiainana,

  • Mila paikady matotra
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Nanaitra ary avy eo nahasosotra

  • Edito
  • Zoma 17 Aprily 2026

Kajy politika!

  • Ezaka iombonana
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Na tiana na tsy tiana moa izany

  • Lany andro mifanasa vangy!
  • Talata 14 Aprily 2026

Henjakenjana ny karazana

Hijery ny tohiny
FTT