Edito

Mitsimoka ny fihavanana sa…?


  • Alakamisy 15 Febroary 2018

Mitady hisy tsirim-panantenana ny resaka fifanatonana eo amin’ny samy mpanao politika tsy mitovy hevitra eto amin’ny firenena amin’izao fotoana.


Nitana ny sain’ny maro ny nisian’ny fifampiresahana manokana teo amin’i Marc Ravalomanana sy Rivo Rakotovao ny faran’ny herinandro teo. Malaza ihany koa ny hisian’ny ampamoaka sy ny fifamelana goavana momba ny raharaha 2002 atsy ho atsy. Efa dingana iray aloha izany, saingy tsy hay hoe hitsimoka manomboka eto ve ny fampihavanana sa mba kisendrasendran’ny politika ihany ny zava-misy ? Lojikan’ny politika ihany ny hoe: tsy hisy ho mpifahavalo foana na ho mpinamana mandrakizay, ka dia miandry izay hiseho ny rehetra. Ny hirariana, dia ny hisian’ny fifandaminana, eny fa na ny hisian’ny fitsipi-dalao mazava amin’ny fifidianana ihany aza. Tompon’andraikitra amin’ny zava-doza mety hiseho eto amin’ny firenena ny mpanao politika, ary hotsarain’ny tantara eo izay tompon’andraikitra sy fositra tsy hivoahan’ny vahaolana. Mila hampandeferina ny hambom-po diso toerana na ho an’ireo mpanao politika, indrindra fa ho an’ny vahoaka ihany koa, izay efa tena zarazarain’ny foto-keviny sy ny olona tohanany. Ny mpanao politika mety hiresaka ihany fa ny vahoaka efa toa mifandrafy ity indray no mety ho ratsy. Anjaran’ilay mpitarika ny antoko ny manazava amin’ireo mpanara-dia azy ny antony tsy maintsy hihaonana, hoy kosa i Marc Ravalomanana. Mila manaiky sy manaja ny safidin’ny tohanany ihany koa ny mpanohana.

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Anatra ho an’ny sisa !
  • Zoma 02 Oktobra 2026

Mafana ny resaka dosie

  • Enga anie mba tsy ho…
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Faheno tamin’ny Fitondrana teo

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

Hijery ny tohiny
FTT