Ny olona sy ny fiarahamonina no natao hofehezina sy natao hanaja ny lalàna mba hampirindra sy hampilamina ny tany.
Ny fandikana izany no miteraka fahapotehan’ny lamina sy rafitra ka tsy maintsy hisian’ny sazy samihafa mifandraika amin’io lalàna io. Mitsimbadika ambony ambany kosa ny rasa eto Madagasikara fa ny mpitondra fanjakana indray no lasa mifehy sy manefy ny lalàna hahafahana hamadika azy io ho amin’izay metimety aminy hahafahany manao izay danin’ny kibony. Tsy ny lalàmpanorenana no ratsy fa ny fampiharana azy, ka noho izany tsy hikitika an’io aho rehefa tonga eo, hoy i Andry Rajoelina tamin’ny adihevitra nifanaovany tamin’i Marc Ravalomanana tao amin’ny haino aman-jerim-panjakana. Ny an-kilany kosa nahitsy sy nitsotra fa tsy maintsy hanova izany. Iny fa nitsimbadika ny rasa ankehitriny satria fampanantenany, hono, ny handrava ny antenimierandoholona ka tsy maintsy ataony. Ampahafirin’ny fampanantenana sy ny vava navoaka tsy notanterahina izany ? Fanomezana fahefana ny eny ifotony, ary Malagasy tsy mihevitra afa tsy ny tenany no andeha hanohitra an’izany, hoy indray Rajoelina niaro tena. Nambarany fa fanafoanana ny antenimierandoholona sy ny fametrahana ny governora ihany no kitihina fa ny ankoatra izay tsy misy kitihina. Nahoana ary no nokobonina ho an’ny mpitondra irery fa tsy nifampierana sy nakana ny hevitry ny herivelona politika eto ? Midika izany fa misy hevi-petsy sy tetika maloto kobonina ao matoa tsy sahy nisokatra tamin’ny rehetra fa mitetika hanao amboletra. Voizina ny tohan-kevitra bontolo amin’ny hoe: nahoana i Marc Ravalomanana no nanova ka izahay no tsy hanao. Sasanangy samihafa anefa ny tanjona tao anatiny. Fa angaha tsy ireny no nokianina sy nentina nanongam-panjakana tamin’ny 2009 no hiverenana indray e ? Hay marina sy ilaina ihany ny hevitr’ilay naongona sy novonoina fa tsy maty. Ny politikany ihany hay no iniana halaina tahaka 10 taona aty aoriana toy ny fanamboaran-dalana, fiaraha-miasa amin’ny mpamatsy vola mahazatra,… Very 15 taona izany i Madagasikara, saingy iniana hikipiana ireny. Ny Malagasy no mila tonga saina ! “Rehefa nanao fianianana tamin’ny lalàmpanorenan’ny Repoblika faha-4, dia sitraponao no nanao an’io. Raha tsy nety taminao io tsy nilatsaka ianao, kanefa rehefa tonga eo ianao dia noridritinao amin’izay tianao, hoy ilay minisitry ny serasera ankehitriny mantsy an-dRajaonarimampianina filoha teo aloha tamin’izany. Inona io ataon-dRajoelina io ary angaha tsy izy no nanao io lalàna io ? Rehefa ny hafa ve dia vorondolo, fa rehefa izy ireo dia voromanga ?
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.