Edito

Mitsapatsapa hatramin’ny farany


  • Talata 19 Septambra 2017

Nampanantenaina aloha ny vahoaka malagasy fa hovahana ao anatin’ny 3 volana ny delestazy.


 Niaraha-nahita anefa ny zava-nitranga fa tsy tanteraka izany ary lasa velon’ahiahy amin’ny fitondrana hatrany ireo vahoaka na inona na inona fampanantenana ataony ankehitriny. Io koa fa ho avy ny « Compteur intelligent ». Dia efa mandeha sahady ny fanontaniana any an-dohan’ny olona fa ho foana tokoa ny fangalaran-jiro sy rano tany an-tokantranony. Ny Jirama indray ve no hanao ny ataony satria tsy hahalala izay ambonin’ny tany mikasika ny kaontin-jirony intsony ny isan-tokantrano ? Dia nitohy ihany ny fampanantenana tamin’ny alalan’ilay lalana mampitohy mivantana an’Ivato sy Soavimasoandro niafara tamin’ny bombo voanjo.  Nisy vola niditra tsy nihoatra ny azo tamin’ny frankofonia. Azo antoka koa ve fa ho tontosa ilay fikasana hanao lalana manara-penitra mampitohy an’Antananarivo sy Toamasina ? Tsy horesahina intsony ny hetsika 100 andro tamin’ny andron’ny praiminisitra teo aloha sy ny paikady vaovao mikasika ny fandriampahalemana nampahafantarina teny Ivato farany teo. Ho hita eo indray ny fivoaran’ny toe-draharaha. Hotsapatsapaina hatramin’ny farany ve ny vahoaka sa tena hirosoana tokoa ny fampandrosoana ?

J. Mirija

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Enga anie mba tsy ho…
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Faheno tamin’ny Fitondrana teo

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

Hijery ny tohiny
FTT