Edito

Mitrongy fototra


  • Alarobia 28 Aprily 2021

Aiza ilay Malagasy malaza ho tia fihavanana, hoy ny firehana politika iray izay, tamin’ity herinandro ity,

 

 

 raha ry zareo filankevitra heverina ho matetika tokony hamerina izany no nandrasana ho lohalaharana amin’ny fametrahana izany fanontaniana izany sy hanao ny ezaka hamerenana izany amin’izao fotoana izao. Tsy miafina fa miharihary ankehitriny ny endrika fizorana any fialana tanteraka amin’ny soatoavina, kolontsaina, fomba neverina ho nitahiry fahendrena teto amin’ity firenena ity rehetra. Tsy nisy ve moa ny tabataba narahana fanazavana siantifika maro tamin’ny fotoan’androny nilazana fa tsy mifanaraka amin’ny fiarovana ny atao hoe vakom-pirenena ny fikitihana ireo totohabato tetsy Antaninarenina sy Ambondrona? Tsy nanakana ny fitondrana mijoro ankehitriny tsy hikitika azy ireo anefa izany. Toy izany koa no nitranga tamin’ny raharaha “Colisée” ao anaty Rova saingy mbola nirosoan’izao fitondrana izao ihany koa ny fametrahana izany na inona na inona fanazavana nomen’ny mpahalala. Iza no tompon-kevitra tamin’ny filanjana vatam-paty nisy soratra hoe “Miala Rajao” tetsy amin’ny kianjan’ny 13 may tamin’ny 3 taona lasa? Mifanaraka amin’izay soatoavina sy fototra maha izy antsika izay ve ny hevitra sy fihetsika toy ireny? Maro ireo fanontaniana mby ao an-tsaina sy tiana averina foana satria tsy mety misy mamaly manoloana ny raharaham-pirenena ankehitriny. Mbola ao anatiny ilay hoe tsy miasa ve ny mpanolontsain’ny filoham-pirenena sa izy mihitsy no mafy loha? Mampijabaka azy fotsiny ve no antom-pisian’ireo mpiara-miasa aminy? Niaraha-natadidy ny antsoantso mikasika ny tokony hanidiana sisin-tany tamin’ny martsa 2020 saingy hoe tsy mafy noho ny pesta sy cholera moa io no setriny tamin’izany dia izao isika tafiditry ny valanaretina izao. Mbola miverina ihany io ny lesoka amin’ny fanabanahana ny seranana hidiran’ny “variant” manaraka ary ny vahaolan’ny fanjakana, hoy ny rodoben’ny mpanohitra izay, dia ny fandavahana fasana ho an’ny olona mbola tsaboina toy ny fanaon’ny mpamosavy. Tsy mba manamafy fototra fa mitrongy ireo fototra naha izy azy miandalana isika ity ankehitriny ka rehefa tena mirodana tanteraka angamba ny firenena vao samy hihenahena.

J. Mirija

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

  • EDITO
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Mila miova raha te hanova ?

Hijery ny tohiny
FTT