Mitotototo sa mitsangatsangana?

Maha lasa saina ihany amin’izao fotoana izao ny mahita ity


  • Talata 07 Mey 2024

filoham-pirenena toa tsy mahatombon-tsiraka fa mahita dia ho aleha ity foana.

Dia foronina ve sa tena hitondra vokantsoa ho an’ilay firenena tokoa? Vao tamin’ny herinandro no tany Kenya. Nisongadina tamin’iny aloha izany ny hoe fangatahana fampitomboana ny famatsiam-bola amin’ny IDA. Talohan’izay indray ny tany Rwanda. Tohin’ny fakàna traikefa amin’ny filoha Kagame ve? Io indray izany izao dia hoe ho any Abu Dhabi, renivohitr’i Emirats arabo mitambatra. Hangataka inona moa no fanontaniana mahazatra ny mpanara-baovao mahazatra malagasy fa isan’ny mahavaka ny saina koa amin’izao fotoana izao ny hoe mitotototo sa mitsangatsangana ve izany ilay atao mivoaka lava any ivelany any? Toa nisinisy ihany izany fivoahana izany tato ho ato fa inona izany ilay tena vokatra nipaka tany amin’ny isan-tokantrano teo anoloan’izany? Toa arakaraka ny nisian’izany rehetra izany no vao mainka maha mahamay ny grevin’ny mpianatra noho ny vatsim-pianarana tsy azo am-bolana maro? Ny trafikana sokatra sy gidro koa etsy nandimby ny volamena sy andramena. Mbola mampikaikaika faritra maro ny delestazy nefa vao tsy ela koa ilay filoham-pirenena no nitokana famatsiana herinaratra tao Behenjy tao. Rehefa tsy mivoaka any ivelany moa izany ilay filoham-pirenena dia mitety faritra koa etsy ankilan’izay mitokan-javatra izay mampametra-panontaniana hoe tena mila ny fanatrehany hatrany ve ireny rehetra ireny? Izay no mahavelom-panontaniana hoe mitotototo sa mitsangatsangana ilay atao sa izy roa mitambatra? Angaha tokoa mola mila famatsiam-bola any ivelany indray ity firenena feno harena ity?
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Porofoy sy asehoy
  • Zoma 24 Aprily 2026

fa tsy mivaona! Mitady ho difotry ny

  • Edito
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

Mbola mitady tia tanindrazana!

  • Manaraka ho azy ny
  • Alarobia 22 Aprily 2026

vahoaka rehefa mety ny atao !

  • Isika ihany!
  • Talata 21 Aprily 2026

Mila fifanampiana ny fiainana,

  • Mila paikady matotra
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Nanaitra ary avy eo nahasosotra

  • Edito
  • Zoma 17 Aprily 2026

Kajy politika!

Hijery ny tohiny
FTT