Mitony aloha! Mitony aloha!

Samy nilaza azy ho afa-po. Ireo fiarahamonim-pirenena sy mitonona ho mpanara-maso


  • Alarobia 12 Jona 2024

moa dia efa mahazatra ny sofina ny maheno ilay fehezanteny tena ankafizin’izy ireo rehefa

fotoam-pifidianana tahaka itony dia ny hoe «Nizotra tamim-pilaminana tamin’ny ankapobeny.». Vonjimaika ihany iny vokatra navoakan’ny CENI na vaomieram-pirenena mahaleontena misahana ny fifidianana iny, hoy ireo kandida sasany nihevitra fa mety mbola hisy ny fitsimbadihan’ity raharaha ity rehefa hamoaka ny tena ofisialy kosa ny fitsaràna avo momba ny lalàmpanorenana na HCC. Eo indrindra no mampametra-panontaniana ireo mpamakafaka sy mpanara-baovao moa hoe iny noheverina fa fitoniana nandray ny valim-pifidianana teny Alarobia iny ve izany ilay antsoina amin’ny teny vahiny hoe «Calme avant la tempête» na tonga amin’ilay vazivazy taloha hoe «Asio hirahira aloha mialohan’ny tsy hitrangan’ny gidragidra!»? Sanatrian-dresaka moa izany saingy miteraka ahiahy maro ihany satria iaraha-mahalala ireo tranga niseho nialoha, nandritra ary izao aorian’ny fifidianana izao. Samy mifampiampanga ho nifangalatra ankehitriny ireo kandidan’ny fanoherana sy fanohanana ny fitondrana. Raha sanatria mitombina avokoa izany ny fifampiangan’izy ireo dia efa mazava aloha fa tsy ho lapan’ny demokrasia na lapan’ireo solombavambahoaka intsony ato ho ato no hiantsoana izany antenimieram-pirenena izany fa ho lasa lapan’ny mpangalatra tsotra izao. Toa vazivazy ihany ny filazana izany nefa mampanahy hoe ho sanatria vazivazy zaritenany ve? Inoana fa tsy maniry ny hiverenan’izany atao hoe korontana izany eto amin’ity firenena ity intsony ny ankamaroan’ny malagasy ary samy mahay milaza fa tsy hisy hahazo tombontsoa amin’izany na iza izy na iza. Samy hita ho miandry ny tena ofisialy, raha ny fanehoan-kevitra hita androany. Samy miandry ny hiseho rahampitso. Hitondra any amin’ny fandriampahalemana ho an’ity firenena ity amin’izay na koa hoe ho any amin’ny tena fampandrosoana tokoa ve sa sanatria ny eny Ambohidahy eny mbola ho tonga amin’ilay fomba fiteny hoe «Nantenain-kaniriana kanjo nampivandravandra!»? Mitony aloha! Enga anie hitony hatrany!
J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

  • EDITO
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Mila miova raha te hanova ?

Hijery ny tohiny
FTT