Edito

MitoMitolefika


  • Alarobia 31 Martsa 2021

Rehefa mety ny atao dia ny soabakaka aza mampidi-dranon-ketsa, fa rehefa tsy mety ny atao dia ny ranon’ampango aza misy voay,

 

 hoy ny oha-pitenenana Malagasy. Io no mahafehy ny fiainam-pirenena sy ny zavatra lalovan’i Madagasikara. Tsy finiavana hitanisa ny ratsy sy ny tsy mety na sanatria minia jamba tsy mahita ny zavatra tsara, fa ny ratsy na ny miiba aloha izao no mibahan-toerana sy toa manamaloka hatrany ny fiainan-dRamalagasy. Toa manao randra-mitarika ny toe-javatra manamaloka sy mampanjombona antsika amin’izao fotoana izao. Manjaka ny valanaretina mamely sy mandripaka, hamoizana ain’olona maro ary tsy mifidy na mahantra na manan-katao. Isan’andro haharenesana olona mamoy ny ainy, hany ka taintaina lava no iainan’ny olom-pirenena. Iny ihany koa ny zava-niseho omaly mikasika ny baolina kitra ilay hany mba mampiombona sy miteraka fientanam-po ho an’ny Malagasy, saingy indrisy fa nikoa sy niletsy ilay fanantenana mba efa nisokatra. Nitolefika ilay ekipam-pirenena nampientana an’I Afrika sy izao tontolo izao roa taona lasa izay. Toa mihazakazaka mamely antsika ny toe-javatra miiba, ny rotorom-piainana, ny fahasahiranana sy fahantrana,… Matoa miseho ireny, dia misy antony mahatonga azy. Ny fahaizana maka lesona no zava-dehibe indrindra. Ny fahaizana manaiky sy miaiky fa misy ny lesoka mila harenina. Ny zary fahita sy niainana teto tato ho ato mantsy dia ny fiziriziriana amin’ny efa hita fa tsy mety. Ny fitadiavana hevitra hanilihana ny tsy fahombiazana any amin’ny hafa, ny fitanisana ny lesoka sy fahalemen’ny hafa,… no mba hany paikady hoenti-miaro ny tena eo anatrehan’ny tsy fahombiazana sy ny tsy fahaizana. Soa lavo hahay mamindra, hoy ny oha-pitenena Malagasy izay, ka asa na mba ho toy izany amin’izay no ho fihetsika sy ny hatao na mbola hinia hanilika sy hidingin-drambo amin’ny efa hita fa tsy mety, ka hilaza hatrany hoe: “izahay aloha izao no eto”?

 Toky Rlefika

 Rehefa mety ny atao dia ny soabakaka aza mampidi-dranon-ketsa, fa rehefa tsy mety ny atao dia ny ranon’ampango aza misy voay, hoy ny oha-pitenenana Malagasy. Io no mahafehy ny fiainam-pirenena sy ny zavatra lalovan’i Madagasikara. Tsy finiavana hitanisa ny ratsy sy ny tsy mety na sanatria minia jamba tsy mahita ny zavatra tsara, fa ny ratsy na ny miiba aloha izao no mibahan-toerana sy toa manamaloka hatrany ny fiainan-dRamalagasy. Toa manao randra-mitarika ny toe-javatra manamaloka sy mampanjombona antsika amin’izao fotoana izao. Manjaka ny valanaretina mamely sy mandripaka, hamoizana ain’olona maro ary tsy mifidy na mahantra na manan-katao. Isan’andro haharenesana olona mamoy ny ainy, hany ka taintaina lava no iainan’ny olom-pirenena. Iny ihany koa ny zava-niseho omaly mikasika ny baolina kitra ilay hany mba mampiombona sy miteraka fientanam-po ho an’ny Malagasy, saingy indrisy fa nikoa sy niletsy ilay fanantenana mba efa nisokatra. Nitolefika ilay ekipam-pirenena nampientana an’I Afrika sy izao tontolo izao roa taona lasa izay. Toa mihazakazaka mamely antsika ny toe-javatra miiba, ny rotorom-piainana, ny fahasahiranana sy fahantrana,… Matoa miseho ireny, dia misy antony mahatonga azy. Ny fahaizana maka lesona no zava-dehibe indrindra. Ny fahaizana manaiky sy miaiky fa misy ny lesoka mila harenina. Ny zary fahita sy niainana teto tato ho ato mantsy dia ny fiziriziriana amin’ny efa hita fa tsy mety. Ny fitadiavana hevitra hanilihana ny tsy fahombiazana any amin’ny hafa, ny fitanisana ny lesoka sy fahalemen’ny hafa,… no mba hany paikady hoenti-miaro ny tena eo anatrehan’ny tsy fahombiazana sy ny tsy fahaizana. Soa lavo hahay mamindra, hoy ny oha-pitenena Malagasy izay, ka asa na mba ho toy izany amin’izay no ho fihetsika sy ny hatao na mbola hinia hanilika sy hidingin-drambo amin’ny efa hita fa tsy mety, ka hilaza hatrany hoe: “izahay aloha izao no eto”?

 Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

  • EDITO
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Mila miova raha te hanova ?

Hijery ny tohiny
FTT