Edito

Mitombo ny fahoriana


  • Alakamisy 26 Novambra 2015

Manambana hampiakatra ny saran-dalana indray ny mpitatitra satria sady mitarazoka ny fahazoana ilay vola fanampiana avy amin’ny fanjakana no mbola niaka-bidy nanomboka omaly ihany koa ny gazoala.

 


 Efa tafiditra ao anatin’ny politikam-pitantanan’ny fanjakana moa ary voasoratra ao anatin’ny tetibolam-panjakana 2016 ny fampihenana na fanafoanana mihitsy aza ny vola fanampiana fanao hatrizay tahaka ny omena ny mpitatira sy ny Jirama ary ireo kaompanian-tsolika. Izay no tsy maintsy ampiharana ny vidin’entana tena izy ka mampiakatra io vidin’ny gazoala io ary azo antoka fa mbola hitohy ny fampiakarana. Henjana ny fepetra napetraky ny mpamatsy vola amin’i Madagasikara ho tambin’ny fanomezana na fampindramam-bola, izy ireo rahateo tsy tena mbola mahatoky ny fitondrana misy eto. Iny eo ihany fa ny tena mampiasa saina ny vahoaka dia ity ho fiakaran’ny saran-dalana ity. Miakatra avokoa mantsy ny vidin’entana raha vao ny saran-dalana no miakatra. Ankoatra izay anefa efa tsy maintsy miomana amin’ny sondrobidin’ny faktioran-jiro sy rano koa ny isan-tokantrano, hiditra amin’ny vanim-potoanan’ny orana anefa isika izao. Ka inona moa izany fa dia mitombo hatrany ny fahoriana e !

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

  • EDITO
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Mila miova raha te hanova ?

Hijery ny tohiny
FTT