Edito

Mitohy tantara


  • Zoma 02 Septambra 2016

Nikatona tanteraka ny ridaon’ny eklipsa izay nandrasan’ny maro na dia ny ankabeazan’ny Malagasy aza no tsy afaka nisitraka ny fijerena izany noho ny antony niaraha-nahita.


 Na lasa aza iny tranga tsy fahita firy iny dia mbola maro no mampifamatotra azy amin’ny toe-draharaha eto amin’ny firenena ankehitriny. Tsy hay na finoanoam-poana na fifanandrifian-javatra fa maro ireo maneho sy mbola manamafy fa fambara loza ho an’ny firenena, indrindra ho an’ny mpitondra, iny eklipsa iny. Tsy vitsy ny mbola mahatadidy fa taorian’ny eklipsa tamin’ny taona 2001 no nampiongana ny fitondran’i Didier Ratsiraka ary nafampana toy izao ny toe-draharaham-pirenena tamin’izany fotoana. Maro rahateo ny olona miha mafana ra manoloana ny ataon’ny mpitondra sy ny forongony ka na tapitra aza ny eklipsa dia misy ny manasokajy iny tranga iny ho toy ny fizarana voalohany amin’ny lalana mizotra any amin’ny fionganan’izao fitondrana izao raha mbola mikivilavila fandeha. Vao ny fizarana voalohany no vita fa andrasana ny ho fivoaran’ny toe-draharaha. Mbola mitohy ny tantara !

Toky R.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

  • EDITO
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Mila miova raha te hanova ?

Hijery ny tohiny
FTT