Mitohy ny tolona!

Notanisaina matetika teo aloha


  • Zoma 22 Desambra 2023

teo ny faharetan’ny tolona nataon’ireo zokibe

tany aloha toy ny tamin’ny 1972 sy 1991 niaraka tamin’ny faharetan’izany toy ny hoe 9 volana ny iray dia naharitra 7 volana ny iray. Nambara koa tao ho aho fa vao zara fa nisy 1 volana mahery kely no vita tamin’ilay tolona notarihin’ireo kandida miisa 11 tamin’ny fifidianana filoham-pirenena farany teo. Nanamafy iny omaly ny kandida iray fa mitohy ny tolona! Fifidianana madio, hoy izy, no tanjona. Etsy ankilan’izay moa dia misy ireo rafitra mifandraika amin’ny raharaham-pirenena tarihin’ireo 11 lahy toy ny “Cellule de crise” sy tarihin’ireo raiamandreny isan-karazany toy ny FFKM sy ny filohan’ny antenimieram-pirenena na ireo milaza azy ho raiamandreny ara-drazana. Mitohy ny tolona saingy mitohy mankaiza marina izany izy ity. Iza tokoa moa no sahy handà ny hoe mahantra ity firenena ity na koa hoe tsy mandeha amin’izay laoniny intsony ny fiainam-bahoaka eto Madagasikara? Iza no sahy hilaza fa tsy mandry fahalemana ny tany sy fanjakana? Mihena ny fahefa-mividin’ny olompirenena? Tsy voatanisa intsony, hoy ny raiamandreny iray izay omaly, hoe ireto sy ireto izany olana izany satria tsy resaka olana iray na roa na telo ilay izy fa tena efa lalim-paka. Mitohy ny tolona! Iza sa iza avy no tokony hitolona? Ireo kandida tamin’izany ve sa izay rehetra mahatsiaro ny tenany ho malagasy rehetra? Inona indray izany izao no antony hitolomana? Resaka fifidianana fotsiny ve sa resaka rafitra ihany koa? Ahoana ny mikasika ilay mpitondra natao litania, nolazaina ombieny ombieny fa vazaha? Mitohy ny tolona! Mitohy mankaiza?
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

  • EDITO
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Mila miova raha te hanova ?

Hijery ny tohiny
FTT