Santatra am-bava rano ihany no azo namaritana ny hetsiky ny zanak’i Dada ny sabotsy lasa teo, ary ny manetsa be mbola ho avy satria tsy vitan’ny roa andro na herinandro na iray volana izay tolona ho fanavotana ny firenena izany.
Tsy isalasalana na dia kely aza no ilazana fa mbola tohin’ny ady tamin’ny 2009 izao mitranga eto Madagasikara izao. An-daniny ireo zana-bazaha, taranaky ny mpanjanatany fahiny sy ireo olona voavidiny vola, an-kilany kosa ireo manohitra hatramin’ny farany ny fanambakana ny Malagasy sy ny hamerenana ny fanandevozana amin’ny endriny maoderna eto. Tsy mila manadihady lalina akory dia efa mahafantatra fa tena nahazo laka ny vahiny teto (Frantsay, Karana,Sinoa) vantany vao tsy teo amin’ny fitondrana intsony nanomboka tamin’ny 2009 i Marc Ravalomanana. Fantatry ny rehetra tsara izao ny mpaka ny tanin’olona etsy sy eroa , mpanorina trano mijoalajoala, atao birao, toeram-piasana, hotely. Tsy afaka miasa intsony ny Tiko, fa niditra an-tsehatra tamin’ny fandraharahana ny PPN (vary, menaka, siramamy) ny Karana, ny banky moa dia efa voafehin’ny vahiny ambongadiny eto amintsika, ary atsy ho atsy mety hataon’izy ireo teli-moka ny Air Madagascar sy ny Jirama. Tsy rariny izany, tsy azo ekena, ary io no nanosika an’i Marc Ravalomanana hijoro, satria tena tsy hita intsony izay maha firenena mahaleotena an’i Madagasikara amin’izao fotoana fa ny vahiny no manjaka eto. Raha miasa moa ka mahay mifanaraka tsara amin’ny Malagasy, tsy misy ny olana, fa tena manjakazaka izy ireo ary manimbazimba mihitsy ny maha izy azy ny tompon-tany. Raha manaiky lembenana amin’izao Ramalagasy dia izay no vita, ary tokony hitandrina tsara sao latsaka ao anatin’ny vela-pandrika ka hifandripaka eto, sanatria.Ady amin’ny fahantrana sy ady amin’ireo mpampahantra ny vahoaka sy mangalatra ny harem-pirenena mba ho an’ny tombotsoany manokana no atrehana, fa tsy zavatra hafa !
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.