Mifarana tanteraka ny taona 2018 ho an’ny anio, fa ny tantara nentiny kosa hitohy amin’io 2019 ho avy io, raha ny fiainam-pirenena sy ny politika no zohiana. Mafana sy mangotraka ny toe-draharaha,
indrindra taorian’ny voka-pifidianana izay nandrandraina fa ho kihon-dàlana ho an’ny firenena, iandrasana ny valiny ofisialy amin’io taona vaovao io. Hiandany amin’ireo heverina ho faharatsiana sy tetika maloto samihafa nentina nanao hosoka sy hamiliviliana ny safidim-bahoaka ny Fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana sa hahasahy hanao dingana lehibe mba ho anatry ny sisa? Mijoro ny vahoaka amin’izao fotoana izao mitaky ny fahamarinana ary tsy hanaiky lembenana velively eo anatrehan’ny fikatsahana fananganana fanjakana mifototra hosoka, kolikoly, halatra,… Nanamarika ny tantara nanomboka ny fiandohan’ity taona ity rahateo izay lalao maloto sy hosoka ary kolikoly izay. Sambany teo amin’ny tantaran’i Madagasikara tamin’ity 2018 ity ny nisian’ny tolona teny amin’ny Kianjan’ny 13 mey in-droa miantoana dia ilay nosantarina tamin’ny 21 aprily sy ilay niantomboka ny sabotsy 29 desambra teo. Tsy hay na fifandrifian-javatra ihany na ahoana fa nanoherana ny kolikoly sy ny tetikady maloto handrombaham-pahefana no tao ambadik’ireo tamin’ny ankampobeny. Azo ambara ho nahomby tamin’ny ampahany ilay tamin’ny volana aprily, ary inoana fa hitohy ny fahombiazana. Raha ny tantara mantsy, dia iray fototra niaingana ihany ny notoherina tamin’izany sy ny amin’izao satria samy nateraky ny 2009 na nisara-dàlana sy nifanangana fahavalo aza. Ny andaniny, dia efa naneho fahendrena sy nipetraka ho raiamandreny rehefa tsy nahahovoka tamin’ny fifidianana. Ny ankilany kosa tena vao mainka toa nitombo ny fahadalana satria rehefa avy nanongam-panjakana, nangoron-karena farantampony, dia manao kolikoly sy hosoka mba hahazoana mora foana ny fahefana,… Taona vaovao sy foto-pisainana vaovao, fomba fanaovana politika vaovao mikendry ny tombotsoan’ny rehetra no hirarian’ny rehetra ho avy eo, ka izay no mahatonga ny maro an’isa misikim-ponitra hiady sy hisakana amin’ny fikatsahana fametrahana fahefam-panjakana sy fitondrana mifototra amin’ny halatra sy ny hosoka ary ny kolikoly, ary zary fomba fiasa raiki-tapisaka raha tonga eo ireo. Hitsimbadika ny taona, ary hanao izay ho afany hanatsimbadika ny fomba maloto mahazatra nentina nambotriana ny firenena ny vahoaka, ka izay tolona tsy vita tamin’ity 2018 ity hotohizana ny 2019 mba hiadanan’ny ambanilanitra e!
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.