Edito

Mitohy ny savorovoro


  • Talata 09 Jona 2015

Tena mihazakazaka ny toe-draharaha. Nihotakotaka tsy tahaka ny isan’andro ny teny Namontana sy ny manodidina halina manoloana ny fikasan’ny mpitandro filaminana hisava ny fiaran’ny solombavambahoaka Mapar Lanto Rakotomanga sy haka azy

 
mba alaina am-bavany. Tsy nisy ny filazana mazava ny antony fa dia fisavana tahaka ny fanaonay isan’andro no ataonay, hoy ny mpitandro ny filaminana. Sa ve efa nahazo vaovao mialoha ny zandary na ny polisy ka nisakana io fiarana solombavambahoaka io ? Fa inona no antony ? Inona no mety tao anatin’io fiara vaovao be io ankoatra an-dramatoa solombavambahoaka sy ny « assistante parlementaire » niaraka taminy ? Na ahoana na ahoana fanazavana ara-teknika sy araka ny lalàna dia nosokajian’ny maro ho misy ambadika politika avy hatrany iny tranga teny Namontana iny. Iaraha-mahafantatra ny fifanolanan’ny solombavambahoaka sy ny filoham-pirenena ka izay tokoa ve ilay izy sa ahoana ? Azo antoka fa hiitatra ity resaka ity ary vao miha hampisavorovoro indray ny tontolo politika.

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

  • EDITO
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Mila miova raha te hanova ?

Hijery ny tohiny
FTT