Mandravarava any Egita ny ekipam-pirenena Malagasy eo amin’ny fiadiana izay ho tompondakan’i Afrika na ny “CAN 2019”. Tapitr’ohatra ny fanoharana azo hanehoana ny hafalian’ny vahoaka Malagasy tsivakivolo.
Taintaina sy tebiteby no niainana tamin’ny lalao nifanandrinana tamin’ny Repoblika Demokratikan’i Congo halina, saingy nahitam-bokany ny ezaka, izay reharehan’ny Malagasy sy i Madagasikara iray manontolo. Mitohy ny diantsika mandravarava an’i Afrika satria firenena sangany sy tsy azo hamaivanina avokoa ny ankamaroan’ireo nifandona tamintsika. Tsy nitombina intsony anefa ilay ambaran’ny vazaha fa “Petit Poucet” ny ekipam-pirenena Malagasy. Noporofointsika ilay “firaisankiana no hery”. Samy nanao izay ho afany fa tsy misy azo tsinontsinoavina ireo mpilalao Malagasy. Tsy lalaon’olon-tokana mantsy ny baolina kitra fa tena ezaka iraisana na “jeux colléctifs”, hoy ny vazaha. Tsy loko tokana na firehan-kevitra iray no afaka hamoaka an’i Madagasikara ao anaty kizon’ny fahantrana sy fahasahiranana fa ny fiombonana sy ny fanambaran-kery. Rehefa miray fo sy miray saina, dia afaka mahazo fahombiazana, ka andeha mba hakana lesona amin’ny politika io toe-javatra manako manerana ny Nosy sy eran’izao tontolo izao io e ! Mampiombona antsika ny baolina kitra ary sarona tanteraka ao anatin’io ny teboka mena rehetra manaratsy endrika an’i Madagasikara. Miakatra ny filaharantsika eo amin’ny maneran-tany eo amin’io sehatra io. Azo hakana lesona tsara io, ka asakasak’izay hinia be di-doha sy mihevi-tena ho zavatra na efa ao anatin’ny tsy fahombiazana aza e !
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.